Loisirs

Cabaret niaraka tamin’i Jerry Marcos Olona manodidina ny 750 isa no teny an-toerana


  • Alatsinainy 15 Martsa 2010

Henika olona tanteraka ny fampisehoana natolotr’i Jerry Marcos ny Zoma lasa teo teny amin’ny Pharaon Ambohidahy.

Niendrika fampisehoana mihitsy ny hetsika ary tsy nisy toerana nahafahana niditra intsony teny an-toerana. Saika hita tao avokoa na Malagasy na vahiny. Gadon-kira mafana narahin’ireo mpijery horakoraka no nandravaka ny alin’ny fampisehoana. 5 000 Ariary no vidim-pidirana tamin’ny fampisehoana izay naharitra adiny efatra teo ho eo. Afa-po tanteraka ireo mpankafy, araka ny fanadihadiana natao ireo mpanotrona sendra anay. Nahavariana ireo vahiny ny mpandihy. Manantena ny maro fa hisy ny fampisehoana ankalamanjana hotanterahin’ny lehilahy atsy  ho atsy.

Luciana

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Loisirs

  • Loisirs
  • Alakamisy 25 Aprily 2019

Andry Rajoelina Tsy hahavita 5 taona ...

  • Loisirs
  • Alakamisy 08 Novambra 2018

Marc Ravalomanana Tena mamim-bahoaka

Hijery ny tohiny
FTT