Notontosaina tany Mahajanga ny 16 ka hatramin’ny 18 aprily 2010 lasa teo tany Mahajanga ny «Jeux Corporatifs» andiany voalohany nokarakarain’ny tanora ho amin’ny fampandrosoana an’i Mahajanga (AJDM) sy ny faritr’i Boeny.
Sampandraharaha sy orinasa ary fikambanana maherin’ny telopolo no nandray anjara tamin’izany. Taranja efatra no nifaninanana ka anisan’izany ny baolina kitra ho an’olona fito, ny volley ball, ny basket ary ny tsipy kanetibe. Ny taranja baolina kitra no nahitana mpandray anjara betsaka indrindra tamin’ity andiany voalohany ity. Ny ekipan’ny sampandraharahan’ny Vola sy ny Tetibola no nibata ny fandresena tamin’ny basket, raha ny ekipan’ny faritr’i Boeny kosa no nandrombaka ny anaram-boninahitra tamin’ny tsipy kanetibe nanoloana ny Jirama tamin’ny isa 13 no 6.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.