Loisirs

BODO Hafana ny fiarahana aminy ny alahady izao


  • Alakamisy 28 Mey 2015

Hafana ny fiarahana amin’i Bodo amin’ny alahady 31 mey ho avy izao izay sady fetin’ny Reny etsy amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina.

 


 

 Efa mipetrapetraka avokoa ny fandaminana rehetra, hoy i Bodo omaly raha niresaka tamin’ny mpanao gazety izy ary tsy hisy fiovana intsony izany. Hanomboka amin’ny 3 ora folakandro tsy diso  ny seho ka olona manodidina ny 25 isa eo ho eo no  hiaka-tsehatra hiaraka aminy  mandritra izany ahitana   ny The punisher , izay mpandihy handravaka ny fampisehoana, i Thia Keys eo amin’ny amponga ankoatra  ireo naman’i Bodo niara-niasa taminy  nandritra ny 25 taona. Voakasik’izany avokoa na ireo tanora mpanakanto vao misandratra na ireo efa zokinjokiny. Haharitra  ora telo ny fampisehoana ary tsy hiato mihitsy izany ho fanomezana fahafaham-po ny rehetra. Hampiakanjo azy amin’io fotoana io i Tachou, ho fanomezana fahafaham-po ny maso ankoatra ny sofina izay efa voky rahateo.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Loisirs

  • Loisirs
  • Alakamisy 25 Aprily 2019

Andry Rajoelina Tsy hahavita 5 taona ...

  • Loisirs
  • Alakamisy 08 Novambra 2018

Marc Ravalomanana Tena mamim-bahoaka

Hijery ny tohiny
FTT