Raikitra ! Jobily volafotsy raha finoana no resaka, lava ny dia raha eo amin’ny habaky ny kanto no ambara, ary maro ny zava-nitranga teo amin’ny fiainana maha mpanakanto tao anatin’izay 25 taona niakarana an-tsehatra izay. “Saingy na teo aza izany dia tsy nampiova na inona na inona teo amiko sy ny mozikako”, hoy i Bodo. Hifamotoana amin’ireo mpankafy azy etsy amin’ny Dôme RTA izy anio hariva ho porofon’izany. Fampisehoana hanamarihana ny fankalazana izy io, no sady hanolorana raki-kira ho fahatsiarovana ny faha-25 taona. “Tsy miova aho” no anarana nampitondraina an’ity sangan’asa ity, izay ahitana hira miisa 10. Nasain’i Bodo hifampizara sehatra aminy amin’ity anio ity ny tarika AnaY sy i Romina, ilay kintana nivoaka tamin’ny Pazzapa.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.