Misalotra kasikety roa toy ireo namany hafa ao amin’ny governemanta Camille Vital ny minisitry ny fiompiana Rafatrolaza Bary Emmanuel eo amin’ny fisahanana ity atao hoe “coach” ity izay tetikady nolovain’ny fitondrana FAT tamin’ny fitondrana Marc Ravalomanana.
“Coach” ho an’ny Faritr’i Betsiboka ny lehilahy eo amin’ny fitantanan-draharaha ankapobeny, indrindra eo amin’ny fisahanana ny fanentanana ny resa-pifidianana izay malaza ankehitriny (Avy any Kandreho moa no fiaviany). Toy ny fanambarana nataon’ireo namany tamin’ny haino aman-jery samihafa, indrindra ny haino aman-jerim-panjakana dia miroso an-tsakany sy an-davany, hoy izy, ny fikarakarana ny lisi-pifidianana any amin’iny Faritra misy azy. Hitanay tamin’ny fandalovana im-betsaka tany an-toerana fa mavitrika ny olona amin’ny fanoratana ny anarany ao anatin’ny lisi-pifidianana eny anivon’ny Fokontany samihafa. “Coach” ihany koa izy, ho an’ny taranja ady totohondry olympika eo amin’ny fanomanantenan’ny mpilalao hiatrika ny Lalaon’ny Nosy hotontosaina any
Efa nisy hetsika nataony omaly tamin’ny fanolorana fanampiana ara-bola ireto tanora hisolotena an’i Madagasikara ireto. Raha ny nambarany dia izy tenany mihitsy no nisafidy ny ady totohondry noho ny fitiavany ity taranja ity sy noho ny fifandraisana manokana eo aminy sy ny filohan’ny federasiona. Nomarihany kosa anefa fa tsy izy irery no “coach” fa ny ministera iray manontolo mihitsy ka tsy vola avy amin’ny fanjakana no entina hanampiana ireo atleta fa tsipaipaikan’ny mpiara-miasa rehetra sy fitadiavana fanampiana avy amin’ny malala-tanana. Mety ho fanomanana fifidianana no dikan’izao, raha hanao kasikety roa koa ity minisitra TIM nisintaka tamin’ny zanak’i Dada ity.
Mahakasika ny fanaraha-maso ny labatoara sy famonoana omby eto amintsika dia mitohy hatrany ary tsy mitsahatra ny amin’izy io, hoy izy, ary efa nahitam-pahombiazana raha tsy hiteny afa-tsy ny etsy Alasora. Iray ihany sisa ankehitriny ny labaroara manara-penitra eto amintsika, araka ny filazan’Atoa Rafatrolaza Bary, dia ny any Toliara. Mbola am-pikarakarana kosa ny iray atsangan’ny QMM any Taolagnaro. Ny mikasika ny fanondranantsika hena omby any ivelany dia tsy hanambara n’inona n’inona aho, hoy izy, fa hamory mpanao gazety amin’ny herinandro ho avy.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.