Miavaka amin’ny feony manga sy ny fahamatorany Ranaivoson Bakonirina, fantatry ny maro amin’ny anarana hoe « Bako ».
Nankalaza ny faha-23 taonany omaly ny tovovavy ka ny fampivoarana hatrany ny mozika voiziny ao anatin’ny tarika misy azy no laharam-pahamehany amin’izao fotoana. Raha tsiahivina dia nanafana ireo lanonam-pianakaviana samihafa no tena nahafantarana azy, mpikambana amin’ny antoko mpihira ihany koa ny tenany. Taty aoriana kosa dia nalain’ny mpamorona ny tarika « JOEDA » ho ao anatin’ny tarika ny tenany. Mitaky famolahan-tena sy fahamatorana be anefa izany ka nisy ny fisalasalana. Tonga tsikelikely moa ny finiavana araka ny fanazavany ary tsy mihevitra ny hiala ao anaty tarika mihitsy izy. Raha ny fanazavany ihany dia efa ao anatiny mihitsy ny mozika ary tiany sy akaiky ny fony ny fitoriana ny filazantsara ary ahafahany mampitombo talenta sy mahazo traikefa ihany koa.
Luciana
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.