Na dia voalaza ho faritra mena aza i Madagasikara dia tonga izahay hizara traikefa sy hiara-dalana amin'ny MAMAN tarihan-dRtoa Yvette Sylla, hoy ireo vazaha mpandraharaha avy any Andafy mpikambana ao amin’ny “Association Nationale France-Madagascar” notarihan’i Michel LeJeune sy Jacques Bleche.
Mety hampisy kilema kely ny fiainam-pirenena ny olana andalovan'i Madagasikara ankehitriny, hoy izy ireo, saingy mino izahay fa hiarina afaka volana vitsivitsy izany. Ka tanjonay amin’izao fahatongavana eto Madagasikara izao ny hampahafantatra amin’ny Malagasy fa misy olona manohana azy ireo na mivantana na an-kolaka amin’ny ho fampandrosoana maharitra ity firenena ity.
Nofintinin-dry zareo tamin’ny singan-javatra efatra ny lalana mety ahatongavana amin’izany dia voalohany ny fitakiana ny fampihavanam-pirenena tanteraka, ny famotsoran-keloka tanteraka, ny fananganana governemantan’ny fampiraisam-pirenena tena izy miaraka amin’ny fiarahamonina sivily ary ny firosoana amin’ny fifidianana madio sy mangarahara ary tena malalaka. Nisy fijoroana mpitantana ONG mpanampy mivantana ireo sahirana ara-pivelomana eto amintsika moa nilaza mazava fa tena mijaly ny vahoaka Malagasy ankehitriny ka mila hampiana misimisy kokoa noho izao hetsika fijerena ny maha-olona fotsiny ataon-dry zareo izao. Tsy mijery lafiny politika hoe mpomba an’i Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina izahay, hoy izy ireo, fa mijaly ny vahoaka ka mila miala amin’ny krizy ny Malagasy.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.