Loisirs

Antsonjombe Handaniana 10 miliara ariary hanovana endrika azy


  • Zoma 28 Mey 2010

Hiova endrika ny kianja fanaovan-danonana eny Antsonjombe satria hisy ny fanamboarana ivotoerana goavana sy manara-penitra.

Omaly moa no notanterahana ny fampahafantarana tamin’ny fomba ofisialy izany tetikasa goavana izany, ary dia tonga teny Antsonjombe mihitsy ny filohan’ny HAT Andry Nirina Rajoelina. Mirefy 10 000 m² ary mahazaka mpijery hatrany amin’ny 25 000 ity kianja mitafo vaovao ity. Hisy sehatra filanonana, hanaovana fampisehoana sy trano malalaka ho an’ireo fampirantiana maro samihafa ao anatiny, ary mbola ahitana toeram-pitsaboana ihany koa. Ity no toerana fanaovana fampisehoana faran’ny raitra sy goavana indrindra aty amin’ny ranomasimbe indiana, araka ny fanambaran’i Andry Rajoelina. 10 miliara ariary ny tetibolan’ny asa, izay volan’ny fitondrana malagasy tanteraka amin’ny alalan’ny minisiteran’ny fanajariana ny tany. Jean Claude du Bois, no mpanao maritrano ary orinasa telo no fantatra hifandrimbona amin’ny asa rehetra. Ho reharehan’ny kolontsaina sy ny mpanakanto malagasy ity ivotoerana ity, hoy ny filohan’ny HAT. Nambarany fa efa ela no niandrasana izao fotoana izao, ary tsy resabe intsony izany ankehitriny fa tena ho tanteraka amin’izay. Raha tsiahivina kely moa dia tamin’ny 2007 nandritra ny fampielezan-kevitry ny fifidianana Ben’ny tanàna no nampahafantaran’i Andry Rajoelina voalohany ny tetikasany momba ny kianjan’Antsonjombe. Araka ny vinavina moa dia enim-bolana no ho faharetan’ny asa.

Asa na kisendrasendra na efa nomanina fa rehefa tsy raikitra ilay dinika nasionaly nampanantenain’i Andry Rajoelina fa hatao teny amin’ny Centre de Conférence International Ivato omaly dia nenjikenjehana ity resaka Antsonjombe ity, hanakonana ny tsy fahatanterahan’izany, mba tsy hisarika ny sain’ny maro loatra. Fa etsy ankilany koa dia maro no velom-panontaniana raha io resaka Antsonjombe io no laharam-pahamehana miohatra amin’ny fahorian’ny Malagasy tsy afaka mividy fanafody amin’ny aretina, tsy manana asa, tsy mahita hanin-ko hanina sy ny tsy fandriampahalemana. Sa izay ilay fitondrana FAT ?
 
Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Loisirs

  • Loisirs
  • Alakamisy 25 Aprily 2019

Andry Rajoelina Tsy hahavita 5 taona ...

  • Loisirs
  • Alakamisy 08 Novambra 2018

Marc Ravalomanana Tena mamim-bahoaka

Hijery ny tohiny
FTT