Ao anatin`ny fivoriana ara-potoana tanteraka izao ny etsy amin`ny lapan`i Tsimbazaza. Banga avokoa ireo seza eny an-dapa kanefa maro ny raharaha tsy maintsy dinihana sady misy fanapahan-kevitra tokony horaisina. Ny depiote sasany moa mitokona dia ny hafa indray tezitra sy midongy fotsiny.
Raha ny fitsipika mifehy ireo parlementera dia azo atao tsara ny manasazy sy manala azy ireo tsy ho solombavambahoaka noho ny tsy fanarahan-dalàna ataony. Ho an`ireo mpikambana ao amin`ny birao maharitra, ohatra, dia tsy maintsy manatrika ny asam-baomiera raha tsy te hahazo “notification”, indrindra raha minia tsy tonga manatrika. Ho an`ireo depiote izay tsy tonga miatrika ny fivoriam-be dia anisan`ireo manala tena. Azo atao ny mampihatra ny sazy toy ny fanapahana karama raha tsy tonga. Misy fepetra avy amin`ny filohan`ny Antenimieram-pirenena anefa vao afaka manatanteraka izany. Efa am-bolana tokoa no tsy nisy raharaha manjary tao an-dapa. Ny zoma lasa teo, nahatratra 65 ireo depiote na mpomba na mpanohitra ny fitondrana tonga nivory teny Tsimbazaza tamin`ny fandaniana ny tetibolam-panjakana 2018. Nanambara ny filohan`ny Antenimieram-pirenena ny faran`ny herinandro lasa teo fa tokony hiroso amin`ny fifidianana an’izay ho solon`i Guy Rivo Randrianarisoa, kestora fahatelo ao amin`ny birao maharitry ny Antenimieram-pirenena ireo solombavambahoaka. Mahakasika an`ireo depiote voatendry minisitra kosa dia miakatra misolo toerana azy ireo izay lisitr’ireo depiote tamin`ny fotoam-pifidianana solombavambahoaka saingy mbola miandry ny fankatoavana ara-dalàna havoakan`ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana, araka ny fanazavana.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.