Loisirs

Andro iraisam-pirenena ho an’ny boky Lasa aloha ny fankalazana tetsy amin’ny AFT Andavamamba


  • Talata 20 Aprily 2010

Hanomboka anio 20 ka hatramin’ny 30 aprily ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny boky etsy amin’ny Alliance Française de Tananarive Andavamamba. Tahaka ireo fankalazana manan-danja rehetra izay notontosaina teny an-toerana dia hetsika samihafa maimaimpoana no hisesisesy eny an-toerana mandritry ny 30 andro.

Nisantatra izany ary ny fampirantiana mitondra ny lohateny hoe «Les écrivains d’outre mers» izay manomboka anio 20 aprily. Maimaimpoana ary azo n’ny tsirairay tsidihina maimaimpoana ny fampirantiana izay ahitana sary sy asa soratra mahaliana ho fifalian’ireo mpankafy ny vakiteny sy ny asa soratra ary ny boky. Eo ihany koa ny fampirantiana izay natao indrindra ho fahatsiarovana an’i Aimé Fernand David Césaire izay hotontosaina ao amin’ny Mediathèque-n’ny AFT hatrany. Poeta sy mpanao politika teraka tamin’ny taona1913 i Aimé cesaire ary nodimandry ny volana aprily 2008. Ho an’ireo izay liana amin’ny sanganasany ary dia hisy ihany koa ny fanentanana samihafa mandritry ny fampirantiana ireo sanganasany. Amin’ny folo ora maraina kosa ny fotoana ho an’ireo izay liana manokana amin’ny adihevitra sy famelabelarana manodidina ny zon’ny mpamorona Malagasy eo amin’ny sehatry ny asa soratra. Hiarahana amin’i Domoina Ratovozanany, Cyprienne Toazara sy Rtoa Marie Hélène Razafintsalama ny hetsika.

Ny 23 aprily andro iraisam-pirenena ho an’ny boky
Ny 15 novambra 1995 no tapaka tamin’ny fivoriamben’ny UNESCO fa ho andron’ny boky sy ny zon’ny mpanoratra ny 23 aprily. Voamarika tamin’izany fa ny boky no fitaovana manan-kery sy manan-danja, indrindra eo amin’ny sehatry ny fampitam-baovao sy fampitana fahalalana ary fitaovana mitana anjara toerana goavana eo amin’ny sehatra koltoraly. Ny 23 aprily 1996 no nankalazaina voalohany ity andro ity. Raha ny fankalazana any Frantsa manokana dia nalaza ny fanolorana raozy iray ho ireo rehetra mividy boky iray. Misy ihany koa ny fikambanana vahiny « Verbes » izay ahitana trano fivarotam-boky mpikambana miisa 400 mahery. Miara-miasa izy ireo isaky ny 23 aprily ahafahana mankalaza ny andron’ny boky raha misy kosa ireo tanàna mankalaza ny andron’ny vakiteny manodidina ny 23 aprily ho fanampin’izany.

Luciana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Loisirs

  • Loisirs
  • Alakamisy 25 Aprily 2019

Andry Rajoelina Tsy hahavita 5 taona ...

  • Loisirs
  • Alakamisy 08 Novambra 2018

Marc Ravalomanana Tena mamim-bahoaka

Hijery ny tohiny
FTT