Hanatanteraka fampisehoana etsy Antsahamanitra ny Ampifitia, antoko mpihira eo anivon’ny fiangonana FJKM Isotry Fitiavana ny sabotsy 21 jona ho avy izao.
Manomboka amin’ny 2 ora sy sasany folakandro ny fampisehoana ao anatin’ilay lohahevitra hoe : «Atolory azy ny tananao». Tompon’antoka amin’ny fikarakarana ny sampana fifohazana sy ny tanora kristianina eo anivon’ny fiangonana Protestanta aumonerie etsy Befelatanana. Entina hanitarana ny ambaindaihin’ny asa fanompoana an’Andriamanitra ny vola azo raha araka ny fanadihadiana natao no sady hampandraisana anjara ny rehetra amin’ny fiderana an’Andriamanitra ihany koa. Hisy ny fivarotana raki-kira sy fahatsiarovana maro samihafa mandritra io fotoana io.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.