Loisirs

Alarobia K.O ny ENY


  • Alatsinainy 15 Novambra 2010

Napoapoaka ny dokambarotra, natao avokoa ny fanentanana ary nampiasaina ny “fomba” rehetra toy ny fizarana T.shirt teo amin’ny Esplanade, nataon’i Alain Ramaroson filoha nasionalin’ny andrimasom-pokonolona, nisarihana sy ny nitaomana ny olona ho eny amin’ny Kianjan’Alarobia tamin’ny faradoboky ny mpampandany ny ENY omaly, fa nalaina ny olona.

Ny andro rahateo alahady, makamaka aina ny olona miomana hiatrika ny herinandro vaovao indray. Diso fanantenana ny komity mpanohana ny ENY mpikarakara, fa tsy nahazaka an’Antananarivo na dia nalahatra aza ireo mpanakanto malaza eto an-tanàna. Tsy nanam-potoana handaharan-teny handresen-dahatra ny olona hifidy akory ny mpanentana fa hijery fampisehoana bôjo no nahatongavan’ny maro teny. Maro no nitsaitsaika nody, ary asa na nentin-kenatra na tsy resy lahatra fa dia maro ireo nanala ny akanjony misy soratra ENY rehefa namonjy taxi-be. Nivadika ny rasa. Ampy handrefesana ny voka-pifidianana iny teny Alarobia iny raha tsy hoe hisy maziamazia. May volon-tratra noho izany ny mpanohana ny eny. Raha ny hita eto an-drenivohitra mantsy, toy ny etsy Soanierana akaikin’ny Kobama, dia eo amin’ny faritra natokana ho an’ny fanjakana mihitsy no nametahan’ny mpanohana ny Eny ny afisiny. Asa izay ho fanazavan’ny CENI ny toe-javatra toy izany. 

Nangonin’i Jean D.
 
Sary : Tsy omena tsiny izy fa tsy fantany izay asehony (sary : Rakotobe Michel)

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Loisirs

  • Loisirs
  • Alakamisy 25 Aprily 2019

Andry Rajoelina Tsy hahavita 5 taona ...

  • Loisirs
  • Alakamisy 08 Novambra 2018

Marc Ravalomanana Tena mamim-bahoaka

Hijery ny tohiny
FTT