Mpanakanto mikarakara fampisehoana ho fanaovana asa soa indray i Aina Quach amin’izao fotoana izao ka any Frantsa no hanatontosany izany ny 15 mey ho avy izao. Mpanakanto nampiara-peo tamin’i Eric Manana no nahalalana azy. Tontosa tany Etazonia ary miandry ny hivoahany sisa ny rakikira farany nataon’ny tovovavy, mitondra ny lohateny hoe : «What I want». Fiaraha-miasany tamin’i Mikey Bassie, mpanakanto mpamoron-kira vahiny, nalaza indrindra tamin’ny nanoratany rakikira malazan’i Britney Spears iray fony izy vao nanomboka nalaza. Mikasa ny hanolotra fampisehoana eto an-toerana ihany koa ny tovovavy saingy tsy mbola fantatra mazava ny fotoana sy ny toerana hanatontosany izany.Miendrika sakafo arahin-kira na «Repas-Concert» ny asa soa hotontosain’ny tovovavy ny 15 mey ho avy izao any ivelany ary hatolony manokana ny fikambanana Agnay ho fanampiana ny sekolin’i Sahamadio. Hanomboka amin’ny valo ora alina any an-toerana ny fampisehoana. Mikasa hamoaka rakikira amin’ny teny Malagasy ranoray ihany koa ny tenany amin’ny taona 2011 ary kasainy hotontosaina eto Antananarivo izany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.