Nivoaka manerana ny Nosy omaly ny kapila “Adisanina be galona”.
Tsy diso anjara fa afaka mijery mivantana ilay horonantsary amin’ny alalan’ny tranokala an’ny tranom-pamokatra Scoop Digital koa ireo mpankafy any ampitan-dranomasina. Marihina fa na dia manao ezaka mafy amin’ny fampidinana ny vidin’ny Vcd sy DVD ho zakan’ny fahefa-mividin’ny besinimaro aza ny mpamokatra dia tsy kely lalana mihitsy ny ratsy. Omaly maraina ihany, izany hoe ora vitsy taorian’ny nanapariahana ny vokatra dia efa nisy nivarotra piraty sahady teny Andravoahangy. Tsy hita moa ny tompony izay nitsoaka avy hatrany rehefa nahita ny ekipan’ny Scoop Digital ka ny entana ihany no noraofina.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.