Loisirs

Adisanina be galona Hafatra ho an’ireo miaramila manamboninahitra


  • Alatsinainy 26 Mey 2014

Mifampitohy amin’ny adisanina valala ihany ny horonantsary adisanina be galona hivoaka ny talata 27 mey 2014 izao. Noresahana manokana kosa anefa ireo miaramila be galona ao anatin’ity tantara andiany vaovao ity.

 Toy ny mahazatra ny mpamokatra sy ireo mpilalao moa dia amin’ny alalan’ny hatsikana no hivoizana ny hafatra tiana hapetraka. Inoana, hoy Rakotoson Tsarafara fa horaisin’ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny ny vontoatin’ny resaka tiana hampitaina. Raha raisina manokana, ohatra, ny adisanina valala dia fantatsika tsara ny fahavoazana eo amin’ny famokaram-bary aorian’ny fandalovan’ny andiam-balala. Potika tanteraka ny taona iray manontolon’ny tantsaha rehefa simban’itony bibikely mpihinana voa madinika itony ny velaran-tanimbary midadasika izay miantoka ny fiainan’ny mponina eny ambanivohitra. Azo oharina amin’ny fahafatesana ny valala, hoy Rajao satria tonga dia resy mantsy avy hatrany ireo mpamboly vary rehefa tsy misy vokatra azo hetsehana amin’ny adidy sy andraikitra mandavantaona. Ny valala izay tena manahirana ny firenena Malagasy ankehitriny.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Loisirs

  • Loisirs
  • Alakamisy 25 Aprily 2019

Andry Rajoelina Tsy hahavita 5 taona ...

  • Loisirs
  • Alakamisy 08 Novambra 2018

Marc Ravalomanana Tena mamim-bahoaka

Hijery ny tohiny
FTT