Fonjan’i Manjakandriana

« Tsaho sy fanosoram-potaka


  • Talata 05 Mey 2026

ny filazana fa misy gadra ampijaliana !»

Niparitaka tato anatin’ny andro vitsy ny fanelezana resaka ilazana fa iharan’ny fampijaliana any am-ponja ny mpanao politika iray, izay tazonina ao amin’ny Fonjan’i Manjakandriana, izay nivoizana fa ny Minisitry ny Fitsarana Fanirisoa Ernaivo no mampanao izany. « Ny resaka fiarovana sy ny fitsipika anatin’ny fonja, dia tsy misy hidiran’ny Minisitry ny Fitsarana velively. Andraikitra sy adidin’ny lehiben’ny fonja sy ny staff tarihiny no manao ny lamina sy ny fanatsarana ny tontolon’ny fonja, ka tafiditra ny fiarovana ny ain’ireo voafonja sao misy mahazo azy », hoy kosa Atoa Mohamed Razafiberison Sekretera Jeneralin’ny Sendikan’ny Mpandraharahan’ny fonja na ny SPAPM, raha nanontaniana mikasika io toe-javatra io. Nambarany fa tsaho ahely mikasika ny fonjan’i Manjakandriana, izay lazaina fa tsy manaja zon’olombelona, misy fampijaliana,… Diso tanteraka satria raha misy fonja azo lazaina fa manara-penitra sy lazaina fa manaja ny zon’olombelona dia ny fonjan’i Manjakandriana, izay vao avy nitarina sy nohatsaraina dia ity fonja ity. Raha am-polony na an-jatony ny iray efitra any amin’ny fonja sasany, dia tsy izany no zava-misy ao Manjakandriana, fa misy aza voafonja iray amin’ny efitra iray, tsy misy voafonja matory amin’ny « ciment » izany na iray aza ao, afaka hamarinina,… hoy hatrany Atoa Mohamed Razafiberison. Nambarany, fa manaja ny fahalalana miteny ny mpandraharahan’ny fonja, mety afaka miteny izay azony tenenina ny rehetra, fa anjaranay kosa hoy izy ny mandiso ny zavatra tsy marina ialana amin’ny fanasoketana sy fampidirana olona amin’ny tsy tokony hidirana, toy io heveriny fa fanosoram-potaka ny Minisitry ny Fitsarana io. Notsipihiny fa mitovy ny fikarakarana ny voafonja rehetra, fa misy kosa ny antsoina hoe « voafonja signalé », mila fanaraha-maso manokana ho hiarovana ny ainy. Tsy maintsy hifampierana amin’ilay voafonja ny zavatra hatao azy, toy ny fanaterana sakafo, olona mangataka hitsidika,… Raha misy hanatitra sakafo ohatra, dia ampahafantarina hoe : misy olona tahaka izao, ka raha tsy manaiky izy dia ariana ny sakafo. Misy lasa mandika vilana azy ireny ho fitanilana sy fitantanana tsy araka ny tokony ho izy na « maltraitance » kanefa tena fiarovana ny ainy sao sanatria hisy hahazo azy, ka hanahirana ny Lehiben’ny fonja sy ny mpiara-miasa aminy, ary hanimba endrika ny mpandraharahan’ny fonja raha sanatria misy olona maty. Ny mpisolovava kosa dia tena afaka miresaka aminy araka izay mahamety azy, fa tsy mitovy amin’ireo olona hafa mamangy na manatitra sakafo ho azy.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT