Na izany aza… !

Hanomboka fivoriana ara-potoana


  • Talata 05 Mey 2026

ny etsy amin’ny Antenimierampirenena

manomboka anio, izay vanim-potoana sokajiana ho manamarika ny fidirana politika ihany koa. Betsaka ireo toe-javatra mifamahofaho, toe-draharaha mafampana sy miteraka adihevitra samihafa,… Tsy ilaozana resabe ny fiainam-pirenena, ka anisany io raharaha mikasika depiote iray izay nosamborina io. Toa lasa any no ifantohan’ny raharaham-pirenena, saingy tsy azo hamaivanina sy mety ho taratry ny ho avy hoe : manao ahoana ny fandraisana andraikitra amin’ny atao amin’ny tsimatimanota ? Na izany aza, sao variana tokoa amin’ny adin’akoholahy ka adino ny adin’ombalahy ? Mbola betsaka ireo ambana, mbola betsaka ireo olana, mbola betsaka ireo fanamby,… Ekena ny ezaka vita toy ny fampiakarana ny karaman’ny mpiasam-panjakana 14%, ny vatsim-pianarana 20%,… fa ny sondro-bidim-piainana ihany koa mitady hanafosafo ny 10% ka sao ny teo ihany no ho eo ? Manao ahoana ny politika ara-toekarena hiatrehana ny ambana iraisam-pirenena izay efa miantraika aty amintsika toy ny vidin-tsolika niakatra indray ? Manao ahoana ny politika ara-toekarena sy ara-tsosialy eo anatrehan’ny tahan’ny tsy fananan’asa ambony ? Mety mbola mila ezaka lavitr’ezaka ireny, fa isan’ny mety manitikitika ny maro dia ny hoe : mizotra mankaiza marina ny fanavaozana, fikaonandoham-pirenena, fanatsarana ny lalàmpanorenana, fanatsarana ny lalàna sy fiatrehana fifidianana,…
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

  • Mamafy rivotra !
  • Zoma 11 Septambra 2026

Fomba firesaka ifandovan’ny

Hijery ny tohiny
FTT