Miaramika 6 sy sivily 3 lahy any Tsiafahy, 2 vavy any Antanimora
Nitondra fanazavana mikasika ny fivoaran’ilay raharaha fanafihana mitam-piadiana ny mpaninjara volan’ny toby mpaninjara solika Jovena Hezaka Ambodimita nahalasana vola 73 175 000 Ariary ny manam-pahefana, tamin’ny alalan’ny Mpisolo tonia mpampanoa lalàna voalohany, A/toa ANDRIANARIVONY Nirina. Fanafihana nataon'olona 11, ka mpitandro ny filaminana tsy tao anatin'ny fanatanterahana ny asany ny 6, ary sivily ny ambiny. Ny 1 tamin'ireo sivily no atidoha nikotrika ny asa ratsy. Nidoboka any am-ponja noho izany ireo olona 11, ka ny 9 lahy izay miaramila ny 6 any Tsiafahy, ary 2 vavy any Antanimora. Fandikan-dalàna mitam-piadiana faizin'ny andininy faha 379 sy 381 amin'ny fehezan-dalàna famaizana Fisamborana sy fanibohana tsy ara-dalàna faizin'ny andininy 341, Fidirana anaty fikambanana olon-dratsy faizin'ny andininy faha-265 sy 266, arry firaisana tsikombakomba no hanenjehana ireo voapanga, hoy ny fanazavana. Misy ny vesatra satria nisy fihaikena fifampizarana vola, niaiky fa nisy faniibohana sy fihazonana tsy ara-dalàna ilay mpanatitra vola. Hita tamin'ny fitsirihana ny finday ny fifampiresahana nanomanana ny fanafihana mitam-piadiana. Mbola misy hafa karohana izay namoahana didy fampisamborana ireo nandositra, izay misy kaporaly iray moa raha ny vaovao efa nivoaka ny 26 aprily teo. Tsy nisy "ordre de mission" ary tsy namonjy ny toeram-piasana ireo miaramila fa nandeha nanafika. Niaiky ny miaramila iray fa tsy mpiambina ny Minisitry ny Fitsarana intsony nanomboka ny 9 martsa 2026, ary tamin’ny sitrapony no nanaovany ny asa ratsy. Serasera somary niteraka tsikeran’ny mpanara-baovao moa ity fanamarihana farany ity. Raha hiverenana kely, lasibatra ny mpitondra vola nitondra 73 175 000 Ariary an’ny Jovena Hezaka Ambodihady, izay nosakanan’olona 7 lahy tsy fantatra niaraka tamin’ny fiara Kia Sorento IMM 019 690 sy moto roa. Nentina an-keriny izy ary navelan’izy ireo teny an-dalana talohan’ny nandosirana nankany Ambohitrimanjaka. Voasambotra ny miaramila maromaro, tratra ny vola 14 980 000 Ariary sy basy PA Makarov 09 mm misy bala 08, saingy mbola tsy hita ny kaporaly iray, olon-tsotra iray ary solombavambahoaka iray. Samy namoaka fanambarana ny Ministeran’ny Foloalindahy sy Etamazaoron’ny Tafika fa tsy tomponandraikitra amin’ny fihetsika ivelan’ny asa aradalàna ny rafitra, manameloka ny fanitsakitsahana lalàna sy etika, midera ny fandraisana andraikitra nahatonga fisamborana haingana, ary manamafy fa hatolotra ny Fitsarana ireo voarohirohy. Nanao fanambarana mitovitovy amin’io ihany koa ny Minisiteran’ny Fitsarana fa tsy hanaiky fanelanana ary hamela malalaka ny fitsarana hanao ny fanenjehana. Andrasana ny tohiny…
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.