Fikaonandoham-pirenena

Hanomboka anio ny


  • Talata 05 Mey 2026

fampiofanana ireo mpampiofana hitarika

Volana hanamarika ny fanombohan'ny Fikaonandoham-pirenena ity volana may 2026 ity. Hatao amin 20 May eny amin’ny CCI Ivato ny lanonana fanombohana amin’ny fomba ofisialy ny Fikaonandoha : fikaonandoha ifotony, ny fikaonandoha mahakasika ny fitantanana ny fifidianana, ny fikaonandoha mahakasika ny rafi-panjakana. Fa mialoha izay dia hanomboka anio ary hitohy rahampitso Alarobia 6 may ny fampiofanana ireo mpampiofana hitarika ny Fikaonandoha ho an'ny minisitera, ny FFKM, ny Fiarahamonim-pirenena, ny tanora sy ny fikambanam-behivavy. Talolan'izao moa dia efa nisy koa ny fikaonandoha teny ifotony nanandramana ireo fomba fiasa tany Antsirabe I sy Antsirabe II Faritra Vakinankaratra. Teo koa ny fikaonandoham-pirenen’ny tanora teto an-drenivohitra sy any amin’ny Faritra. Efa voafaritra ho antontan-kevitra tokana ny fandaharan'asa rehetra mahakasika ny fanavaozana miaraka amin'ny tetibola mifandraika amin'izany araka ny nambaran'ny Minisitra misahana ny Fanavaozana, Me Hanitra Razafimanantsoa. Fa hanamarika ity herinandro ity ny fandalovan’ireo iraka avy amin’ny SADC izay hijery ny fandroson’ny asa araka izay voafaritra ao amin’ny programan’asan’ny Fanavaozana. Horesahina mandritry ny fihaonana koa ny lafiny tetibola.
Jean D.
Me Hanitra Razafimanantsoa, Minisitra misahana ny Fanavaozana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

  • 14 Oktobra 2026
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Sady Fetin'ny Repoblika

  • Fahatsiarovana ny tolom-bahoaka
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Natokana ho andro

  • Boing nalefa any Iran
  • Talata 22 Septambra 2026

Olona 28 sy orinasa 5

  • Fahombiazan'ny diplaomasia
  • Talata 22 Septambra 2026

Manamafy ny fisiany i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT