Fandraharahana ny fonja

Nandray ny fibaikoana ny DGAP


  • Alakamisy 30 Aprily 2026

vaovao, manamboninahitra 14 niakatra galona

Nontanterahina omaly 29 aprily 2026 teny amin'ny Kianja ny lanonana ara-panjakana sy ara-miaramila lehibe ho an’ny teo anivon’ny fandraharahana ny fonja. Lanonana teo ambany fiahian'ny Minisitry ny Fitsarana Rtoa Fanirisoa Ernaivo, ary nisolo tena ny Filoham-panjakana Randrianirina Michael kosa ny mpanolotsaina ambony Kolonely Rampanarivo Solofoniaina Thierry. Notanterahana tao anatin’izany. Tontosa ny fifamindram-pibaikoana teo amin'ny Tale Jeneralin'ny fandraharahana ny fonja (DGAP) vaovao Atoa Rasamoelina Herininirina Roger sy sy ny teo aloha Rtoa Volazara Mohamady Sakina. Teo ihany koa ny famindram-pibaikoana teo amin'ny Talem-paritry ny fandraharahana ny fonja Analamanga ka nandray ny toerana ny Atoa Ranaivoson Olivier, misolo an'Atoa Noël Bertin. Namaranana azy ny fanolorana galona miisa 11 sy fankasitrahana ho an’ireo « inspecteurs généraux » sy nisotro ronono miisa 3, narahin’ny matso lehibe nataon’ny mpandraharahan’ny fonja. Nandritra io no niarahaban’ny Minisitry ny Fitsarana Rtoa Fanirisoa Ernaivo ireo mpiofana 400 vao nivoaka teo anivon’ny ENAP (Ecole Nationale d’Administration Pénitentiaire) ny 24 aprily teo, ankoatra ireo nandray ny andraikiny ofisialy sy notolorana galona omaly. Nambarany ihany koa fa 10 ny fitakian’ireo mpandraharahan’ny fonja ka ny 9 amin’ireo dia andalam-panantanterahana avokoa amin’izao fotoana izao satria resaka fandaminana anatiny amin’ny fiaraha-miasan’ny fandraharahana ny fonja sy ny Fitsarana. Ny fametrahana sekreteram-panjakana kosa mbola tsy tanteraka satria mbola tsy ao anatin’ny rafitra izay misy ka mbola tsy afaka manome an’izay ny Fanjakana. Tsy mahenika satria misy fonja sasany, miezaka manao « recrutement », manamafy ny fanofanana izay eo, fa hatreto na ny mpandraharahan’ny fonja, na ny mpiraki-draharaha, na ny mpitsara dia tsy ampy. Tsara ny mampahatsiahy fa efa nisy ny « protocole d’accord » nifanarahan’ny Minisiteran’ny Fitsarana notarihin’ny Minisitra Fanirisoa Ernaivo sy ny Sendikan’ny Mpandraharahan’ny fonja eto Madagasikara na ny SPAPM tamin’ny alalan’ny Sekretera Jeneraly Mohamed Razafiberison. Ity farany izay nanamafy tamin’ny fidinana tany amin’ireo fonja maro tany Atsinanan’ny Nosy mba hanampiana ny Minisiteran’ny fitsarana, hanatsarana ny asa, hanajana ny zon’olombelona, hiadiana amin’ny kolikoly,… ka nanehoany omaly fa efa tena miezaka ny mpiasa hisoroka ny zavatra rehetra mety hanaratsy endrika ny mpandraharahan’ny fonja amin’izao andron’ny fanavaozana izao.
Toky R

 

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • TSENAN'ANOSIBE
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Nihena 4 ny mpangarom-paosy

  • Mahazomà Maevatanana
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Olona 5 indray maty, omby

  • MORON’NY FARIHIN'ANOSY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Fatin-dehilahy iray hita

  • Fanafihana eny amin’ny RN1
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Matin’ny zandary i Njato

  • Ny olona tsy ampy,
  • Talata 28 Aprily 2026

ny ambana mitombo, ny fitaovana efa fahagola,

  • Miaramila 7 nanao jiolahy
  • Talata 28 Aprily 2026

Nanasa tànana ny Fanjakana…

Hijery ny tohiny
FTT