Misedra olana ny fampianarana eto amintsika, raha ny heno sy hita tato ho ato.
Nanatona an-dRamatoa Volahaingo Marie Thérèse, minisitry ny fanabeazam-pirenena sy ny fampiofanana ara-teknika ny gazety Tia Tanindrazana ka nitondrany fanazavana momba an’ireo zava-baovao ao anatin’ny tontolon’ny fampianarana, ny tetiandrom-pampianarana, ny fampidirana mpiasam-panjakana, ny politikan’ny fanjakana eo amin’ny sehatry ny fanabeazana sy ny manodidina an’izany.
Tia Tanindrazana (TT) : Inona no zava-baovao tamin’ity taom-pampianarana 2019-2020 ity ?
Minisitra Volahaingo Marie Thérese (MEN) : Nampiharina eny anivon’ny lisea ny taranja vaovao atao hoe « Science économique et sociale »(SES). Ny kilasy 2nd no nisantarana azy. Ny tanjona dia mba hananan’ny ankizy ny atao hoe : « culture entrepreneurial », mba tsy ho mpiasa foana fa afaka miroso amin’ny famoronana asa ihany koa.
TT : Faritra maro manerana ny Nosy no dibo-drano amin’izao. Sao tokony hanaraka ny tetiandrom-pampianarana ao anatin’ny PSE ihany, izany hoe ny volana martsa no miditra mianatra ny ankizy ?
MEN: Misy ny atao hoe : « retraite PSE » izay natao tamina faritra telo : Toamasina, Antsirabe ary Toliara. Nanaovana fakan-kevitra tamina sokajin’olona maro samihafa (olom-boafidy, ray aman-drenin’ny mpianatra, mpitondra fivavahana, mpiasa tany…) Tamin’izany no nahitana ny tolo-kevitry ny maro fa tokony hisy tetiandrom-pampianarana roa samy hafa dia ho an’ny faitra tena misedra olana rehefa fahavaratra sy ho an’ny faritra maina. Mbola nentina teo anivon’ireo mpamatsy vola izany ary hoentina ihany koa eo anivon’ny filankevitry ny governemanta sy ny minisitra. Niaraha-nahita tokoa ny voka-dratsin’ny tondra-drano eo amin’ny fianaran’ny ankizy. Ao anaty fakan-kevitra tanteraka amin’izao.
TT : Mahatsiaro ho ankilabao ny mpianatra nivoaka teo anivon’ny ENS, marina tokoa ve izany ?
MEN: Izahay no nanapa-kevitra handray ireo mpianatra eo anivon’ny ENS izay nivoaka nanomboka ny taona 2014 hatramin’ny 2018. Tsy nataon’ny teo aloha fa nataonay ho laharam-pahamehana kosa ny fandraisana mpampianatra niofana mikasika ny « pédagogique-didactique-psychologique » mba hahafahana manatsara ny kalitaon’ny fanabeazana. Mpianatra miisa 627 no noraisina hatramin’ny taona 2018. Hotohizana amin’ity taona ity ny fandraisana ireo mpianatra nivoaka tamin’ny ENS sy CRNFP (Centre Regionale de l’instuitut national de la formation pédagigique), izay manofana mpampianatra amin’ny EPP sy CEG.
TT : Ahoana ny fandraisana ireo mpampianatra FRAM ho mpiasam-panjakana ?
MEN : Ao anatin’ny politikan’ny fanjakana ny fametrahana ny fitondrana tsara tantana manalavitra ny kolikoly. Manatanteraka izany ny eto anivon’ny minisitera, amin’ny alalan’ny fampidirana mpampianatra FRAM ho mpiasam-panjakana, izay nampisy fitarainana teo aloha. Nisy ny masontsivana toy ny mari-pahaizana sy ny sekoly ary ny taona niasana. Novoriana ny mpampianatra FRAM, olom-boafidy, prefe… ka izay nahavaly ny filàna no nifanekena. Efa an’arivony no voaray ary naparitaka eny amin’ny CISCO.
TT : Ianao dia anisan’ny Depiote 73 tamin’ny taona 2018. Manao ahoana ny tohin’ny fitakian’ny mpampianatra tamin’izany ?
MEN : Sefony mihitsy (hehy). Araka ny fangatahan’ny mpampianatra tamin’ny governemanta Ntsay Chrisitian voalohany dia tapaka fa hanome 100 000 ariary ho azy ireo ny fitondrana tamin’izany. Rehefa hita fa mavesatra amin’ny kitapombolam-panjakana izany dia nozaraina ny fandoavana azy. Ny volana oktobra 2018 dia 25 000 ariary no efa nozaraina. Tamin’ny taona 2019 ny 25 000 ariary manaraka. 50 000 ariary sisa izany no tavela. Tamin’ity volana janoary ity dia tafiditra tamin’ny bon de caisse ny 30 000 ariary. Ny 20 000 ariary kosa heverina hiditra amin’ny volana febroary.
TT : Inona ny politikan’ny fanjakana amin’ny lafiny fanabeazana ?
MEN : Ny velirano eto amin’ny MEN dia ny fampianarana ho an’ny daholobe ary ny fanatsarana ny kalitaon’ny fanabeazana mba ho fanabeazana mendrika ho an’ny zaza malagasy no hita taratra eto Madagasikara. Tafiditra ao anatin’izany ny fanaovana sekoly manara-penitra. Sekoly maro amin izao no efa vita manerana an’i Madagasikara, izay miandry fitokanana sy fitaovana raitra atao ao anatiny. Misy ny fanomezana fitaovana infôrmatika mifanaraka amin’ny toetrandro, mba hahafahan’ny ankizy manovo fahalalana. Misy ihany koa ny fizaràna « kits scolaires » ho an’ny zaza rehetra amin’ny ambaratonga voalohany. Ary fizaràna boky sy fitaovana manokana ho an’ireo mpanala fanadinana (T5, 3e ary kilasy famaranana), mba hahafahana mampiakatra ny taham-pahafahana sy mampihena ny tahan’ny famerenan-taona. Ho an’ny fampianarana teknika kosa dia hisy « centre agricole professionnel » hanofanana tanora ahafahana mamaly ny tsenan’asa.
TT : Hafatra ho an’ireo mpisehatra eo anivon’ny fanabeazana ?
MEN : Miantso ny tsirairay aho. Ilaina ny fiaraha-mientana sy ny fifanomezan-tanana, mba hahafahana mampiakatra sy manatratra ny vina, ho tombontsoa ambonin’ny mpianatra. Manao antso avo amin’ny ray aman-dreny mba handefa ny zanany hianatra. Tsy misy fanavakavahana na ny an-drenivohitra na any ambanivohitra na ny manana fahasembanana na ny salama na ny mahantra na ny sahirana. Manentana ny handefasana ny zanaka vavy hianatra koa aho mba hisian’ny fitoviana sy tsy fanavahana eo amin’ny miralenta fa mitovy ny lahy sy ny vavy amin’ny fisitrahana ny zo amin’ny fandehanana an-tsekoly.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.