MPIANATRA MAY

TRANO TENY ANKATSO


  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Notoloran'ny MAFI-M fanampiana

Nanatanteraka hetsika nentina nanampiana sy tolo-tanana ho an'ireo mpianatra miisa 35 may trano teny amin'ny Cité Ankatso ll bloc 51 ny Vovonana MAFI-M na ny Mijoro ho amin'ny fampandrosoana ifotony eto Madagasikara notarihin'ny Filohany Etienne Behava sy ireo mpiara.miasa aminy . Afak'omaly Sabotsy 11 Aprily no nanatontosana izany. Raha tsiahivina kely dia tamin' ny 29 Mars lasa teo no may ny Bloc 51 tao Ankatso ll ka niteraka fahasahiranana goavana ho an'ireo mpianatra 35 isa monina tao izay efa nafindra toerana vonjimaika aloha taorian'ny voina nitranga. Fotsim-bary, menaka ary macaroni no nozarain'ny MAFI-M tamin'izany izay tena nahafaty ireo mpianatra tokoa. Fanehoana Firaisam-po sy Firaisan-tsaina tamin'ireo mpianatra niharam-boina moa no tena tanjona hoy ny Filohan'ny MAFI-M raha nitafa fohy tamin'ny mpanao gazety ny tenany.
Pati
Légende : Nandritra ny fizarana ny fanampiana !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT