“Africa Summit

Education 2026” Namiratra ny mpampianatra


  • Talata 14 Aprily 2026

sy mpanabe Malagasy

Nisongadina ireo mpampianatra sy mpanabe avy eto Madagasikara nandritra ny “Africa Summit Education 2026” andiany faha-4, izay natao tany Accra, any Ghana, ny 19 hatramin’ny 21 martsa 2026 teo. Anisan’izany ny Pr Rejo-Fienena Félicitée, Ramatoa Rasoanantenaina Mamisoa ary Pr Rakotonirainy Hasina. Izy ireo dia tafiditra ho isan’ireo olona 100 voafantina mendrika indrindra amin’ny sehatry ny fanabeazana aty Afrika tamin’ireo mpandray anjara 1000 avy amin’ny firenena 53. Lohahevitra niraisana tamin’izany ny hoe : “Fampandrosoana ny fampidirana ny EdTech ao amin’ny fanabaeazana Afrikanina : tondrozotra iraisana ho amin’ny asa”. Tanjona ny fampiroboroboana ny sehatry ny teknolojia nomerika hanova ny fampianarana ary manala ny elanelana any ambanivohitra sy an-drenivohitra. Noraisin’ireo Minisitra telo misahana ny fanabeazana eto Madagasikara, Pr Ravonimanantsoa Ndaohialy Manda-Vy, Minisitry ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Ramatoa Rajaonarison Sendra Nirina, Minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Dr Andriamampandry Todisoa, Minisitry ny Fampianarana Tekinika sy ny Fanofanana Arak’asa, teo Fiadanana ireo solontena Malagasy nahazo fankasitrahana tamin’ity andiany ity, omaly. Niarahaba sy nankasitraka azy ireo ny Minisitra telo, noho ny fanandratana avo ny hasin’ny fampianarana sy ny fanabeazana eto Madagasikara. Marihina fa i Madagasikara no handray ny “Africa Summit Education” andiany faha-5 amin’ny taona 2027.
Jean D.
Pr Rakotonirainy Hasina, Ramatoa Rasoanantenaina Mamisoa ary Pr Rejo-Fienena Félicitée
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Ny sekoly nanalana CEPE
  • Alakamisy 18 Jona 2026

tsy misy dabilio

  • Fampianarana teny Anglisy
  • Alakamisy 18 Jona 2026

Raikitra ny fihaonambe

  • CEPE 2026
  • Alarobia 17 Jona 2026

Nanampy betsaka ireo

  • Faritra Analamanga
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Mpiadina CEPE 565 notolorana fitaovana

  • CEPE 2026
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nitombo 2,11% ny taham-pandraisana anjara

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Zoma 12 Jona 2026

Nitondra am-bavaka ny

Hijery ny tohiny
FTT