Jean Pierre Rakotoniaina

«Tsy asa fampianarana fotsiny ny fanabeazana»


  • Zoma 27 Martsa 2026

Tsy asa fampianarana fotsiny

ny fanabeazana fa ilaina koa ny fanovàna ny rafi-pampianarana amin’ny ankapobeny, hoy ny talen’ny lisea ao Antsirabe sady mpampianatra sy mpanabe, Jean Pierre Rakotoniaina. Ny andrasan’ny mpampianatra, hoy izy, satria hirahiraina izao ny fanavaozana dia ny fikitihana ara-drafitra mihitsy. Tsy praogramam-pampianarana fotsiny io fa ny fototry ny fitantanana mihitsy aty ambany hatrany ambony. Isany ny ady amin’ny kolikoly eny anivon’ireo rafitry ny minisitera. Ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena izany eto no tiana ambara. Eo koa ny fanadiovana ny fitantanana ny lafiny mahaolona. Ny resaka fampidirana mpiasam-panjakàna tsy mazava. Misy ny lalana ambanin’ny tany. Ny tokony ho ampidirina tsy tafiditra. Ny tokony tsy hiditra nefa hita anatin’ireny firaketana samihafa ireny. Olona tena hamaly ny filàn’ny fampianarana araka izany no tena andrasana. Maro ireo fitakiana nataon’ny mpanabe. Tao ny fitakiana tambin-karama sy fampidirana mpiasa ho an’ireo mbola mionona amin’ny karama omen’ny ray aman-dreny na FRAM. Ny hamaly ireny karazam-pitakiana ireny ara-drariny izany izao no andrasana, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Ny sekoly nanalana CEPE
  • Alakamisy 18 Jona 2026

tsy misy dabilio

  • Fampianarana teny Anglisy
  • Alakamisy 18 Jona 2026

Raikitra ny fihaonambe

  • CEPE 2026
  • Alarobia 17 Jona 2026

Nanampy betsaka ireo

  • Faritra Analamanga
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Mpiadina CEPE 565 notolorana fitaovana

  • CEPE 2026
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nitombo 2,11% ny taham-pandraisana anjara

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Zoma 12 Jona 2026

Nitondra am-bavaka ny

Hijery ny tohiny
FTT