amin’ny Fanjakana sy ny PTF
Nitsangana ho hery hitondra vahaolana sy hery teknika, avy amin’ny tanora, mitondra vina entina hanampiana ny Firenena sy ny Fanjakana ary hiarahana amin’ireo mpiara-miombon’antoka ara-bola sy ara-teknika na ny PTF ny JRP na Jeunes Responsable et Patriote. Milaza ity fikambanana ity fa miady ho an’ny tanindrazana amin’ny maha tia tanindrazana. Mahatsapa fa manana andraikitra, tompon’andraikitra, ary manana zavatra tokony hoentina amin’izao Firenena izao. « Marina misy ny namana izay mitarika tolona,misy ny tsy fitoviam-pijery, kanefa izahay dia miezaka hampiray hina ny tanora. Misy ny hevitra tsy mitovy, fa ny tanjona iray ihany dia Madagasikara mandroso sy tanora manana ny fahafahana, tanora afaka mitondra zavatra ho an’ny Firenena sy afaka homena andraikitra. », hoy ny Filohan’ny JRP Rabetokotany Hasinjaka Nijiva M. Notsipihiny kosa fa tsy andraikitra resaka toerana sy seza, fa eny anivon’ny Fiarahamonina, ny sehatra samihafa, ny Minisitera samihafa, dia afaka mandray andraikitra amin’izany ny tanora. Nanana anjara toerana tamin’ny fikaonandoham-pirenena ary manana vina entina amin’izany ny JRP. Mino izy ireo fa araka ny tenin’ny PRRM izay naneho fa mihaino ny tanora ary vonona ny hiara-hiasa amin’izay vina rehetra entina hampandrosoana an’i Madagasikara. Misokatra ho an’ny rehetra ny JRP, saingy mila olona tompon’andraikitra fa tsy hitady tombotsoa manokana, manana fahavononana fa misy anjara biriky tokony ho entina ho an’ny Firenena satria miainga avy amin’ny tsirairay ny fampandrosoana. « Ny ezaka avy amin’ny tanora izay 70% dia tokony ho hery hahafahana mampitombo ny ara-toekarena, ny fampianarana,… »,hoy hatrany ny Filohan’ny JRP. Misokatra amin’ny fiaraha-miasa na amin’ny tsy miankina na ny Fanjakana noho izany ny JRP, araka ny fanambaran’izy ireo. Niatso ny tanora hiray hina fa tsy hizarazara noho izany ity Fikambanana ity, ka mba tena ho hery lehibe hitondra vina avy amin’ny tanora ho fampandrosoana ny Firenena, ary nanaitra ny Fanjakana mba tsy hanangam-pahavalo ny tanora ka hosokajiana ho mpanohitra noho ny hevitra tsy mitovy. Manolo-tànana ny Fitondram-panjakana sy ireo mpiara-miombon’antoka ara-teknika ny JRP, ka nanipika fa tsy misy fampandrosoana raha tsy mipetraka ho tompon’andraikitra ny olom-pirenena, ny tanora,…
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.