Tahina Razafinjoelina

Hampita ny fampamokarana miainga amin'ny IA


  • Talata 14 Aprily 2026

Tafiditra ao anatin'ny antsoina hoe

Herinandrom-bokatra Sedera", atolotry ny seha-pitaizana fifohazana, ao amin'ny FJKM Andravoahangy fivavahana, dia hisy hatrany ny fifandimbiasana velan-kevitra ho fanabeazana sy fampianarana ireo tanora hoavin'ny firenena sy ireo liana amin'izany, indrindra, ireo Kristianina manomboka ny 16 aprily izao ao amin'ity toeram-pivavahana voalaza ity, hoy ny fampitam-baovao voaray. Ho an'ny andron'ny alakamisy 16 aprily dia ny Mpitandrina Nirinarivelo Ando, avy ao amin'ny FJKM Imerimandroso, no hitondra ny famelabelarana mikasika ny hoe "Kristianina mandray fitahiana noho ny fanomezany", manomboka amin'ny 6 ora hariva. Ny ampitson'io, manomboka amin'ny 9 ora maraina kosa, izany hoe, ny 17 aprily, dia ny mpampianatra mpikaroka sady mpandraharaha, Tahina Razafinjoelina, no hampita ny mikasika ny hoe "Famoronana asa sy fampamokarana miainga avy amin'ny "Intelligence artificielle" na IA". Manohy izany avy eo, manomboka amin'ny 11 ora sasany maraina, ny tale jeneraly misahana ny tanora teo anivon'ny minisiteran'ny tanora sy ny fanatanjahantena teo aloha, Tsikitsiky Razanamasy, izay hamelabelatra ny fampananan'asa sy fanomezana fahaleovantena ny tanora. Mbola ny mifanakaiky amin'izay dia ny mikasika ny famoronan'asa no ho ampitain'ny tale jeneraly misahana misahana ny fampianarana tekinika eo anivon'ny minisitera misahana izany, Felana Razafindrarija. Mamarana azy, amin'ny 6 hariva kosa, ny Mpitandrina Nirina Rakotoarimanana, ao anatin'ny lohahevitra hoe "Vavaka mahazo valim-bavaka". Hisy ny 18 aprily ny rindran-kira iarahana amin'ny tarika Christophe Ratrema, manomboka amin'ny 2 ora hariva, izay mbola arahina velankevitra mitondra ny lohateny hoe "Kristianina mandresy ny adim-piainana" miaraka amin'ny Mpitandrina Martin Lazandrainy, filohan'ny fifohazana foibe. Ny antsoina hoe "Androm-bokatra" kosa no hamaranana ny hetsika ny alahady 19 aprily, manomboka amin'ny 6 ora maraina, raha ny fampitam-baovao voaray hatrany.
Nangonin'i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • “Africa Summit
  • Talata 14 Aprily 2026

Education 2026” Namiratra ny mpampianatra

  • MPIANATRA MAY
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

TRANO TENY ANKATSO

  • Fonenan’ny mpianatra eny Ankatso II
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

Hotohoton’ny afo ny Bloc 51

  • Jean Pierre Rakotoniaina
  • Zoma 27 Martsa 2026

«Tsy asa fampianarana fotsiny ny fanabeazana»

Hijery ny tohiny
FTT