Grevy eny anivon'ny Lisea teknika

Nivaha ny tao Ambositra,


  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

mipoitra indray ny ao Sambava

Mila hanao tohivakana ny fitokonanana eny anivon'ny Lycée Technique Professionnel. Saika fitakiana ny fanesorana Proviseur noho ny olana ara-pitantanana ny ankamaroany. Nisehoan'izany tao Ambositra. Nanomboka tamin'ny febroary 2026 no nitokona ireo mpampianatra tao amin'ny LTP Ambositra. Nitaky ny fampitsaharana ny Proviseur ireo mpampiatra noho ny tsy fahafaham-po amin'ny fomba fiasany no voalaza fa antony. Roa volana aty aoriana, voatendry ny mpisolo toerana vonjimaika. Nanao fanambarana ireo mpanabe fa miverina amin'ny laoniny ny asa fampianarana manomboka ny Alarobia 15 Aprily. Raha nivaha anefa ny olana tao Ambositra dia mitokona indray koa ny mpianatra sy ny mpisehatra ao amin'ny LTP Sambava ny zoma teo, mitaky ny hialan’ny Proviseur vaovao indray koa noho ny olana sy tsy fahatomombanana samihafa miseho ao amin’ny sekoly araka ny nambaran'izy ireo. Voatanisa ho antom-pitakiana ny fitantanana tsy mazava, ny tsy fahamarinana amin’ny sekoly, ny fanapahan-kevitra manimba ny mpianatra ka mahatonga azy ireo hitsangana hiaro ny zo sy ny hoavin'izy ireo araka ny fitakiana. Milaza ny hanohy hatrany ny grevy izy ireo mandra-pivaly ny fitakiana.
Jean D.
Mpanao fitakiana ao amin'ny Lycée Technique Professionnel Sambava
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Ny sekoly nanalana CEPE
  • Alakamisy 18 Jona 2026

tsy misy dabilio

  • Fampianarana teny Anglisy
  • Alakamisy 18 Jona 2026

Raikitra ny fihaonambe

  • CEPE 2026
  • Alarobia 17 Jona 2026

Nanampy betsaka ireo

  • Faritra Analamanga
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Mpiadina CEPE 565 notolorana fitaovana

  • CEPE 2026
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nitombo 2,11% ny taham-pandraisana anjara

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Zoma 12 Jona 2026

Nitondra am-bavaka ny

Hijery ny tohiny
FTT