Anisan’ny fanontaniana napetraky ny mpitsara CEPE marobe io ny amin`ny laza adina CEPE farany teo.
Ny taranja Malagasy manokana, hoy ireo mpampianatra maro dia tsy sahaza ny hanala CEPE ny laza adina. Ny education civique na fanabeazana olom-pirenena ho an`ny T9 no sahaza azy . Famintinan-dahatsoratra no nivoaka nefa famoronan-dahatsoratra no fadaharam-pianarana. Tao amin’ny fitsipi-pitenenana dia avadiho ho Rf ny L ? An’ny T9 koa izany. Teo amin`ny jeografia indray, “lalam-pirenena fahafiry no tonga ao Anjozorobe ?”, ny fanontaniana. “Lalam-pirenena fahafiry no mampitohy an’Antananarivo sy Mahajanga ?”, anefa no tokony ho izy.
Ny samy renivohi-paritany no mila hampifandraisina fa tsy
izay tanàna sendra ny vavan`ny mpanadina. Ny taranja laza olana moa dia nampikaika ny ankizy maro. Inoana fa tsy ho tsara ny voka-panadinana CEPE amin’ity raha arahana araka izay ny valiny. Maro ny fanontaniana ratsy fipetraka mety tsy ho azon’ny ankizy sady tsy natao tany am-pianarana. Ny mpianatra foana matetika no ambara fa tsy mahay,
mihena ny faripahaizany. Misy koa anefa ny mpampianatra
ambony fahaizana tsy afaka hidina ambany hijery
ny sahaza sy mendrika ametraham-panontaniana ho an`ny
mpianatra. Mety ho kinamanamana koa dia alefa ny laza adiny … Mpampianatra am-perinasa no tokony hamolavola azy ireny fa tsy mpiasa birao na mpampianatra amin`ny kilasy ambony. Mila jerena haingana izany mba hampadroso satria fiovana no ilaina fa tsy andrankandrana. Ho avy tsy ho ela koa ny fanadinam-panjakana BEPC sy BAC ka ireo mpanao laza adina mahafehy izany no takiana mba tsy hanimba ny zaza Malagasy sy hahatsara ny voka-panadinana
Nangonin-dRabeso
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.