Fampianarana

Laza adina CEPE 2019 Mpampianatra nitana T5 ve no nanome ny laza adina sa… ?


  • Zoma 30 Aogositra 2019

Anisan’ny fanontaniana napetraky ny mpitsara CEPE marobe io ny amin`ny laza adina CEPE farany teo.

 

 

Ny taranja Malagasy manokana,  hoy ireo mpampianatra maro dia tsy sahaza ny hanala CEPE ny laza adina. Ny education civique na fanabeazana olom-pirenena ho an`ny T9 no sahaza azy . Famintinan-dahatsoratra no nivoaka nefa famoronan-dahatsoratra no fadaharam-pianarana. Tao amin’ny fitsipi-pitenenana dia avadiho ho Rf ny L ? An’ny T9 koa izany. Teo amin`ny jeografia indray, “lalam-pirenena fahafiry no tonga ao Anjozorobe ?”, ny fanontaniana. “Lalam-pirenena fahafiry no mampitohy an’Antananarivo sy Mahajanga ?”, anefa no tokony ho izy.
 Ny samy renivohi-paritany no mila hampifandraisina fa tsy
izay tanàna sendra ny vavan`ny mpanadina. Ny taranja laza olana moa dia nampikaika ny ankizy maro. Inoana fa tsy ho tsara ny voka-panadinana CEPE amin’ity raha arahana araka izay ny valiny. Maro ny fanontaniana ratsy fipetraka mety tsy ho azon’ny ankizy sady tsy natao tany am-pianarana. Ny mpianatra foana matetika no ambara fa tsy mahay,
mihena ny faripahaizany. Misy koa anefa ny mpampianatra
ambony fahaizana tsy afaka hidina ambany hijery
ny sahaza sy mendrika ametraham-panontaniana ho an`ny
mpianatra. Mety ho kinamanamana koa dia alefa ny laza adiny …  Mpampianatra am-perinasa no tokony  hamolavola azy ireny fa tsy mpiasa birao na mpampianatra amin`ny kilasy ambony. Mila jerena haingana izany mba hampadroso satria fiovana no ilaina fa tsy andrankandrana. Ho avy tsy ho ela koa ny fanadinam-panjakana BEPC sy BAC ka ireo mpanao laza adina mahafehy izany no takiana mba tsy hanimba ny zaza Malagasy sy hahatsara ny voka-panadinana

Nangonin-dRabeso

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT