Mitombo isa hatrany ireo olona marary saina na adala tazana miriaria eny anivon'ny fiarahamonina ankehitriny. Ho an’ny eto an-drenivohitra manokana dia maro izy ireny ary tsy hanavahana intsony na tanora na olon-dehibe.
Misy ireo mamono sy mandratra izay sendra azy. Ao koa ireo mandehandeha eny rehetra eny fotsiny ary mahavita dia an-tongotra ana kilometatra maro isan'andro vao mijanona. Raha araka ny fanazavan'i Gerard Ramamimampionona, mpandinika fiarahamonina sady filoha lefitry ny filankevitry ny fampihavanana Malagasy (CFM) dia taratry ny fahantrana eny anivon'ny fiarahamonina ireny. Misy ireo lasa adala noho ny tsy fahatomombonan'ny vatany hatrany an-kibo mihitsy, misy vokatry ny fakan-tahaka amin'ny alalan'ny fidorohana zava-mahadomelina eny anivon'ny fiarahamonina ary misy ihany koa ireo miaina ny vesatry ny onjam-piainana ary tsy miomana ny hiatrika izany ka tratry ny dona mafy ny sainy. Ao koa ireo tsy manana fianakaviana miahy ka tsy mahazaka miatrika irery ny fiainana. Tokony hobeazina hatrany ny fiarahamonina hifanampy sy hifanohana, hampihenana ireny trangan-javatra mampalahelo ireny. Tsy ampy fotsiny ny mihavana fa mila mifanampy. Ankoatra izay, mila tsaboina avy hatrany ny olona iray raha vao tsapa fa hafahafa mba tsy hiitaran'ny fahavoazany. Nomarihiny manokana fa lasa tsy marina intsony ilay fomba fiteny Malagasy hoe : ny adalan'ny tena tafian-damba noho fahaverezan'ny kolontsaina.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.