Fahasalamana

Marary saina mitombo isa isan'andro Taratry ny fahantrana, hoy i Gerard Ramamimampionona


  • Alatsinainy 20 Novambra 2017

Mitombo isa hatrany ireo olona marary saina na adala tazana miriaria eny anivon'ny fiarahamonina ankehitriny. Ho an’ny eto an-drenivohitra manokana dia maro izy ireny ary tsy hanavahana intsony na tanora na olon-dehibe.

 

Misy ireo mamono sy mandratra izay sendra azy. Ao koa ireo mandehandeha eny rehetra eny fotsiny ary  mahavita dia an-tongotra ana kilometatra maro isan'andro vao mijanona. Raha araka ny fanazavan'i Gerard  Ramamimampionona, mpandinika fiarahamonina sady filoha lefitry ny filankevitry ny fampihavanana Malagasy (CFM) dia taratry ny fahantrana eny anivon'ny fiarahamonina ireny. Misy ireo lasa adala noho ny tsy fahatomombonan'ny vatany hatrany an-kibo mihitsy, misy vokatry ny fakan-tahaka amin'ny alalan'ny fidorohana zava-mahadomelina eny anivon'ny fiarahamonina ary misy ihany koa ireo miaina ny vesatry ny onjam-piainana ary tsy miomana ny hiatrika izany ka tratry ny dona mafy ny sainy. Ao koa ireo tsy manana fianakaviana miahy ka tsy mahazaka miatrika irery ny fiainana. Tokony hobeazina hatrany ny fiarahamonina  hifanampy sy hifanohana, hampihenana ireny trangan-javatra mampalahelo ireny. Tsy ampy fotsiny ny mihavana fa mila mifanampy. Ankoatra izay, mila  tsaboina avy hatrany ny olona iray raha vao tsapa fa hafahafa mba tsy hiitaran'ny fahavoazany.  Nomarihiny manokana fa lasa tsy marina intsony ilay fomba fiteny  Malagasy hoe : ny adalan'ny tena tafian-damba noho fahaverezan'ny kolontsaina.

 

 

Pati

 


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT