Sehatry ny fahasalam-bahoaka

Ireo antony telo mampitsoaka


  • Alarobia 01 Aprily 2026

ny Dokotera Malagasy

Tranga miha mahazo vahana tato ho ato ny fandaozan'ny manampahaizana Malagasy ny Tanindrazana (fuite des cerveaux) anisan'ireny ny dokotera. Manana ny fomba fijeriny mikasika izany i Dr Tafita Ambinintsoa ary nanaovany ranty tamin'ny tambazotra sosialy Facebook ho fampieritreretana.

PÔLITIKA
Nambarany fa tsy vokatry ny « tsy fitiavan-tanindrazana » akory ny anton’ny fialan’ny mpitsabo malagasy ny taniny, fa vokatry ny famoizam-po manoloana ny sakana maro samihafa. Eo ny fifandraisana amin’ny Fanjakana sy ny Minisitera. Ny Fanjakana moa no mpampiasa voalohany, saingy matetika izy no lasa sakana ho an'ny fivelaran’ny mpitsabo, noho ny karama sy ny tambin-karama tsy mifanaraka amin'ny asa manginy fotsiny ny fahataran'ny fandoavana ny «indemnités». Mihantona na tsy misy fampidirana mpiasa ary raha misy dia vitsy ny toerana ary vitsy ihany koa ny olona te hanao satria tsisy "motivation". Matetika ihany koa dia mifototra amin’ny "pôlitika" na "fifandraisana" ny fanendrena toerana sy ny fisondrotana amin'ny asa fa tsy amin’ny fahaizana.

HERISETRA
Lafin-javatra mateti-piseho ihany koa dia lasa iharan’ny herisetra ny mpitsabo noho ny antony izay matetika tsy miankina aminy akory. Tezitra ny olona rehefa tsy misy ny fanafody na ny fitaovana ao amin’ny hôpitaly, kanefa ny tsy fisian’ny fanafody dia olana avy any ambony. Tezitra ny olona satria mihevitra fa maimaimpoana ny any amin'ny hôpitaly. Betsaka ny fanafihana mpitsabo any amin'ny CSB II sy ny fanaratsiana azy ireo amin’ny tambajotra sôsialy nefa tsy fantatra akory ny zava-misy marina. Lasa mamonjy mpitsabo nentim-paharazana ny olona rehefa tsy mahomby ny rafitra ara-pahasalama, ka ny dokotera no mahazo tsiny rehefa misy ny fahasarotana avy any.

FOTODRAFITRASA
Olana ihany koa ny fotodrafitrasa. Tena efa tsy manaraka ny vanimpotoana ny fitaovana misy eny amin'ny hôpitaly. Tsy ampy ny fanafody, tsy misy rano fisotro madio, tsy misy herinaratra maharitra any amin’ny faritra maro. Na misy aza ny fahaizana, tsy misy ny scanner, tsy misy ny laboratoara matanjaka, ary tsy ampy ny fandriana ho an'ny marary... Nahitsy ny tenin'i Dr Tafita Ambinintsoa fa tsy hoe : tsy niady ireo dokotera rehetra izay lasa any andafy sy izay mbola handeha atsy ho atsy, fa efa nahita sy tsy nahatsapa fa tsy misy antenaina intsony raha izao no zava-misy. Ary raha mbola mitohy ny fanenjehana ireo dokotera sy ny fanaovana ambanin-javatra ny fahasalamam-bahoaka, dia ho foana ny hôpitalintsika ary ny Vahoaka madinika no hiharan’ny mafy indrindra.
Nangonin'i Jean D.

Dr Tafita Ambinintsoa
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT