Mahajanga

Mpanazatra ara-panantanjahantena iray matin’ny Mpox


  • Alarobia 08 Aprily 2026

Lehilahy iray 36 taona mpanazatra

ara-panatanjahantena monina ao amin’ny fokontany Ambalavola Mahajanga, no matin'ny aretina Mpox ny alin’ny Alatsinainin’ny Paska. Efa notsaboina tao amin’ny CHU Mahavoky Atsimo nandritra ny fotoana ela izy, saingy noho ny fahasarotan’ny toe-pahasalamany dia tsy tana ny ainy, ary isan’ireo tranga voasokajy ho “cas grave” no nitsaboana azy, raha ny fanazavana. Omaly vao mangiran-dratsy ihany dia nentina nody any Boriziny tanindrazany ny razana. Nisy mpitsabo niaraka tamin'ireo fianakaviny ary halevina avy hatrany araka ny fepetra napetraka. Olona miisa fito (7) kosa no mbola manaraka fitsaboana ao amin’ny CTI CHU Mahavoky amin’izao fotoana izao, raha ny tatitra nentin’ny fampahalamam-baovao iray omaly.
Nangonin’i Toky R
Sary indrana

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT