Vaksinin’ny IMPOX

eto Madagasikara Tsy tratra ny tanjona,


  • Alarobia 08 Aprily 2026

ny aretina mbola mamono, diso fanantenana ny OMS…

Vaksiny 30 000 fatra no tonga teto Madagasikara hanampy amin’ny ady amin’ny valanaretina mpox, raha ny serasera nataon’ny Unicef Madagascar ny 5 martsa 2026 teo. Ireo mpiasan’ny fahasalamana eny ifotony sy ireo olona marefo no ho laharam-pahamehana amin’ny fanaovana vaksiny, mba hampihenana ny fiparitahan’ny aretina. Naneho ny UNICEF sy OMS tamin’izany fa eo hatrany ho amin’ny: fanohanana ny fanaovana vaksiny, fanamafisana ny rafitra fitahirizana vaksiny (chaîne de froid), fampiofanana ireo mpiasan’ny fahasalamana ary fanaraha-maso ny fivoaran’ny valanaretina,... Mbola latsaky ny 10 000 no vita vaksiny amin’ny tanjona 140 000, raha ny tatitry ny rafitry ny OMS eto Madagasikara. Araka ny antontan’isa ofisialy nivoaka omaly, latsaky ny 10 000 monja no efa vita vaksiny miady amin'ny MPox tao anatin’ny iray volana, raha toa ka mahatratra 140 000 ny olona kendrena ho voaaro. Mbola latsaky ny 100 amin’ireo olona 3 500 voafaritra mifanerasera tamin'ny olona voan'ny Mpox no nahazo tsindrona, raha ny fanazavana teknika. Nambaran’ny solontenan’ny OMS eto an-toerana, Dr Laurent Musango, nandritra ny Andro maneran-tany ho an'ny fahasalamana izay ,ankalazaina omaly 07 aprily 2026, fa « ireo tarehimarika ireo no mampiseho mazava ny elanelana lehibe eo amin’ny tanjona sy ny zava-misy amin’ny ady amin’ny Mpox eto Madagasikara ». Tsy ny tsy fahampian’ny vaksiny no olana lehibe, fa ny tsy fahampian’ny fandraisan’anjaran’ny mponina sy ny fanentanana. Nomarihin’ny OMS ihany koa fa miankina amin’ny tahan’ny fampiasana ireo fatra efa misy ny fahazoana tahiry vaovao. Raha tsy mahatratra ny tahan’ny fampiasana andrasana ny firenena, dia mety hihena ny famatsiana vaksiny, ka hanasarotra ny fifehezana ny valanaretina. Manoloana izany, mitaky fanamafisana ny paikady ny OMS, amin’ny alalan’ny fanentanana akaiky ny vahoaka sy ny fanomezana laharam-pahamehana ireo vondrona marefo,... Raha ny antontan’isa herinandro lasa, nanomboka ny 18 Desambra 2025 ka hatramin’ny 01 aprily 2026 teo, tafakatra 1 574 ny tranga teto Madagasikara. 749 voamarina no voamarina, 331 ahiahiana na azo heverina, 494 voahilika taorian’ny fanadihadiana tao amin’ny laboratoara. 633 kosa ny olona sitrana, 3 maty. Tamin’ny ankapobeny, nisy fitiliana 1 336 natao, ary nahitana « taux de positivité » 56,06 % izay tena ambony, raha io tatitra io, izay mbola ilàna fanamafisana fahamailoana sy fisorohana. Matetika misy olana foana ny fahavitrian’ny Malagasy manao vaksiny na aretina tena efa mamoa-doza aza. Efa mandeha ny fanentanana sy fanabeazana ara-pahasalamana samihafa, ankoatra ny fampahalalana fa areti-mandoza ilay atrehina, ny vaksiny miaro sy mampiakatra ny herijika tsy hahavoa ny olona iray,… dia mifanindran-dalana eo ny tsaho sy ny fandemen-tsaina !
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • Fahasalaman’ny zaza eto
  • Talata 14 Aprily 2026

Madagasikara

  • Sehatry ny fahasalam-bahoaka
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Ireo antony telo mampitsoaka

  • DISTRIKAN'ARIVONIMAMO
  • Talata 31 Martsa 2026

Raikitra ny fanaovam-baksiny iadiana amin'ny Mpox

  • Nana anaty avokavoka
  • Alakamisy 26 Martsa 2026

Mila tolotanana i Finaritra kely

  • AVC- DR JEAN CLAUDE RATSIMIVONY
  • Talata 17 Martsa 2026

Ny fanadiovana ny lalan-dra ihany no tena vahaolana

Hijery ny tohiny
FTT