Nana anaty avokavoka

Mila tolotanana i Finaritra kely


  • Alakamisy 26 Martsa 2026

Miasa eto akaikinay ny mpivady

izay manana zanaka tena marary, hoy ny vadin’ny mpanakanto Mr Sayda teo aloha, fantatry ny maro amin’ny hoe Hantakely, omaly. Tena sahirana ara-bola izy ireo, hoy izy. Niditra hopitaly i Finaritra kely tamin’ny sabotsy. Efa natao fitsirihana sy fitiliana. Hatreto aloha dia «infection du poumon» na nana anaty avokavoka no fantatra fa mahazo azy nefa mbola misy aretina hafa izay mbola tsy fantatra satria miha mivonto ny vatany amin’izao. Miha mivadika mainty ary mamoaka fofona mihitsy aza. Mbola natao fitsirihana indray izy androany (TTF: omaly). Efa trosa amana hetsiny no baben’izy mivady nanomboka sabotsy nidirana hopitaly ka hatramin’izao ka mba mangataka izay fointsika izy ireo na dia kely monja aza satria erikerika mahatondra-drano ary tsy misy manana ny ampy fa sambatra izay mifanampy. Na ara-bola na ara-pitaovana toy ny «couche», «lingette», taty sy ny maro hafa dia raisina an-tanan-droa. Izaho Hantakely dia andeha hijery ilay zaza eny amin’ny «Hôpital des enfants» Tsaralalana ary hitondra sy hanome ny fanampiantsika an’i Finaritra ary ho ataoko tatitra madio aminareo eto izany. Afaka alefa amin’ny laharana 0349578925 (Hanta Haritiana ) ny fanampiana izay tiantsika omena azy mivady, atao «raison: finaritra». Hôpital des enfants Tsaralalàna, chambre A16, no misy azy mianaka, hoy hatrany ny fampitàm-baovao.
Nangonin’i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • Fahasalaman’ny zaza eto
  • Talata 14 Aprily 2026

Madagasikara

  • Vaksinin’ny IMPOX
  • Alarobia 08 Aprily 2026

eto Madagasikara Tsy tratra ny tanjona,

  • Sehatry ny fahasalam-bahoaka
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Ireo antony telo mampitsoaka

  • DISTRIKAN'ARIVONIMAMO
  • Talata 31 Martsa 2026

Raikitra ny fanaovam-baksiny iadiana amin'ny Mpox

  • AVC- DR JEAN CLAUDE RATSIMIVONY
  • Talata 17 Martsa 2026

Ny fanadiovana ny lalan-dra ihany no tena vahaolana

Hijery ny tohiny
FTT