Dr Marius Ramaroson

«Tsy tokony hijery «écran» mihoatran’ny adin’ny 2 ny ankizy latsaky ny 10 taona»


  • Alakamisy 26 Septambra 2024

Tsikaritra ho miha tanora amin’izao fotoana izao, indrindra, ety an-tanàn-dehibe,

ireo olompirenena manana olana amin’ny resaka fahasalaman’ny maso. Fahaizana manokana na «spécialité» moa ny resaka maso aty amin’ny tontolon’ny fitsaboana, hoy ny Dokotera mpitsabo, Dr Marius Ramaroson. Amin’ny maha mpitsabo nefa, hoy izy, dia azo fantarina foana hoe inona no mety hitranga amin’io maso io? Raha ankizy no resaka dia hoe inona no mety ho fikorontanan’ny fahitana eo amin’ny ankizy? Inona no mety mampiroborobo aretina manoloana izay fikorontanan’ny fahitana na fikorontanan’ny maso izay, indrindra, raha ny zava-misy ankehitriny? Tsy resahana aloha ny resaka mifandray amin’ny otrikaretina toy ny «conjonctivite» na hafa. Miha betsaka izany izao ny fijerena maso satria miha betsaka ny Dokoterana maso. Ny ankizy mety hikorontana ny masony, tsy mahita izay hitan’ny namany. Mety hitranga izany dia voatery tsy maintsy mijery ny masony ny ray aman-dreniny. Misy ankizy izao, ohatra, mila manamboatra fihetsika tahaka ny hoe somary manatongilana ny masony na manalavitra boky iray vao mahita. Mety hoe tsy maintsy manakaiky ilay zavatra jereny koa. Taloha nisy karazana aretina tsy dia hita loatra fa hatramin’ny nisian’ireo fitaovana medikaly raitra sy mandroso kokoa dia lasa hita ilay aretina. Be dia be ny karazana aretina hita vokatr’izany. Isany, ohatra, ny resaka homamiadana na «cancer». Mampiroborobo ny areti-maso ny fijerena zavatra manjelatra. Tokony ferana ireny. Isany ny solosaina sy finday. Ireny ankizy mijery fahitalavitra anaty haizina ireny, manimba maso ireny. Tena manimba maso ireny any amin’ny fijerena sarimihetsika na «Cinéma» ireny raha ny tena marina fa misy fikojakojana na «hygiène» mikasika ny maso tokony arahina koa. Misy fetrany io fijerena fimaso na «écran» io. Raha isan’andro dia tsy tokony hijery «écran» mihoatran’ny adin’ny 2 ny ankizy latsaky ny 10 taona. Ankoatran’ny areti-maso efa mahazatra toy ny hoe tsy mahita akaiky na tsy mahita alavitra ilay olona, ho an’ny tanora moa izany izy dia hoe «myopie» na «hypermétropie», fa rehefa antitra indray dia hoe «présbicie» na aretin’ny fahanterana. Izay ilay voatery manalavitra na manakaiky izay jerena ny maso. Ohatran’ny karazana lopa tsinona io maso io. Misy rentsika manamboatra ny fijerinao ao. Rehefa tsy mety tsara iny rentsika iny dia iny no ilàna ilay vera amin’ny solomaso. Karazana fitaratra voajanahary izay io anaty maso ivelany sy anatin’ilay lopa io. Ivelany moa ilay hoe «corné» fa anatiny ilay hoe «cristallin». Ireo no mampifandray azy amin’ny «rétine» mialohan’ny hahatongavan’ilay zavatra jerena any amin’ny atidoha, hoy hatrany ity mpitantana ny klinika Saint Thomas Faravohitra ity.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • Fahasalaman’ny zaza eto
  • Talata 14 Aprily 2026

Madagasikara

  • Vaksinin’ny IMPOX
  • Alarobia 08 Aprily 2026

eto Madagasikara Tsy tratra ny tanjona,

  • Sehatry ny fahasalam-bahoaka
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Ireo antony telo mampitsoaka

  • DISTRIKAN'ARIVONIMAMO
  • Talata 31 Martsa 2026

Raikitra ny fanaovam-baksiny iadiana amin'ny Mpox

  • Nana anaty avokavoka
  • Alakamisy 26 Martsa 2026

Mila tolotanana i Finaritra kely

Hijery ny tohiny
FTT