Kaominina Ambohiperivoana

Mitokona mitaky ny fialan'ny


  • Talata 21 Aprily 2026

Ben'ny tanàna ny Vahoaka

Nitrangana savorovoro tao Ambohiperivoana, iray amin'ireo Kaominina mandrafitra ny Distrikan'Ambositra Faritra Amoron'i Mania. Nifamotoana teny amin'ny Biraon'ny Kaominina ireo Vahoaka avy amin'ireo Fokontany mandrafitra ity Kaominina ity ny Alarobia lasa teo sady nilanja sorabaventy mitaky tsy misy hatak'andro ny fialàn’ny Ben’ny tanàna amperinasa izay avy amin'ny vovonana IRMAR. Tsy lany tamin’ny fomba ara-demokratika ny Ben’ny tanàna, hoy ny fanambarana nataon'ireo mpitokona fa kajikajy politika niarahany tamin’ny tompon'andraikitra teo aloha, teo anivon'ny Faritra. Notanisain'ny mpitokona tamin'izany ny fanambazana mpifidy tamin’ny alalan’ny fanomezana zezika sy masomboly ho an’izay manohana ny kandidà IRMAR. Nisy koa, hoy hatrany ny fanambarana, ny fampiasana fitaovam-panjakana nentina nampandaniana ity kandida ity. Mandry andriran'antsy ny Vahoaka amin'ny tsy fan-driampahalemana. Zara raha ao an-toerana io Ben’ny tanàna io, fa manao tsidi-pahitra fotsiny, ka tsy vonona ny hampandroso ny Kaominina. Ampahany amin'ny antom-pitakiana nataon'ny Vahoaka ao Ambohiperivoana ireo mba hialan'ny Ben'ny tanàna tsy misy hatak'andro. Nanome 72 ora aza moa izy ireo hanatanterahana izany ho taratry ny fanavaozana avy eny ifotony ataon’ny fitondram-panjakana ankehitriny izay tarihin'ny kolonely Michaël Randrianirina, ka hametrahana PDS hitantana ny Kaominina mandra-pisy fifidianana. Nilaza ireo Vahoaka nitokona tao Ambohiperivoana ireo fa hihamafy ny tolona raha tsy tratra ny tanjona.
Jean D.

Vahoaka nilanja sorabaventy mitaky ny fialan'ny Ben'ny tanàna Ambohiperivoana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT