Isika ihany!

Mila fifanampiana ny fiainana,


  • Talata 21 Aprily 2026

hoy ny tononkiran’ny mpanakanto

iray mitondra ny lohateny hoe « Isika ihany!» izay! Isika ihany tokoa no tsy maintsy ho fototry ny tranga rehetra eto amin’ity firenena ity na oviana na oviana! Mandroso izy ity dia isika ihany no antony. Potika izy ity dia noho isika ihany. Raharaha ikambanana, hoy ny fomba fiteny tamin’ny andron’Itompokolahy Ratsimandrava izay. Ny mpitondra mandalo fa ny fiarahamonina na ny vahoaka anaty firenena hitoetra. Ny firehana politika nifandimby nandalo daholo. Nisy fotoana nanjaka ny antoko Arema. Nisy fotoana TIM. Nisy fotoana TGV. Nisy fotoana HVM. Hoavy indray koa ny fotoana atsy ho atsy, asa indray izay ho loko politika hambolen’ny sasany fizarazaràna ara-pomba fijery sy sanatrian’izany fifampisaraham-bazana eo amin’ny samy malagasy hoavy eo. Ny vokatr’izany rehetra izany nefa hatramin’izao aloha dia tsy nisy ary tsy misy afa-tsy fahantrana lalina eto amin’ilay firenena. Tranga ara-tantara nampiseho hatramin’izay ka hatramin’izao ihany koa izany rehetra izany fa tsy nisy ary tsy misy mpitondra fanjakàna azo ihanteherana fotsiny izao izany eto amin’ity firenena ity. Tsy eto irery ihany koa moa izany fa na aiza na aiza firenena eto ambonin’ny tany. Tsy adala ny filoha amerikanina tany aloha, efa nodimandry, John Fidgerald Kennedy, raha niteny hoe mialohan’ny hametrahanao fanontaniana hoe inona no tokony ataon’ny firenena amiko dia apetraho aloha ny fanontaniana hoe inona no tokony ataoko amin’ny fireneko? Tsy misy mpitondra afaka hanao fahagagana na aiza na aiza firenena. Heverina hatrany, araka izany, fa tena ilaina ny firindràna sy fifankahazoana eo amin’ny mpitondra sy ny vahoaka. Antony hiheverana ihany koa izany, amin’izao fotoana izao, fa tena maika ny atao hoe fikaonandoham-pirenena marina, tsy sarintsariny toy ny efa tontosa hatramin’izay fa mahaleontena tanteraka sy hitondra amin’ny tena fanarenana ity firenena ity. Isika ihany nefa io!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

  • Milentika any
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

am-parahatoka ny mpitondra!

  • Hetseo ny herijika avy ato anatiny !
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Mafimafy ny tsio-drivotra

Hijery ny tohiny
FTT