Ny tsy fananan’ireo tanora zavatra
tena mivaingana natolotra hamahana ny olan’ny firenena no hitako ho antony nilazàn’ny filohan’ny fanavaozana hoe mianara ianareo tanora manao politika tena izy, hoy ny filohan’ny Vehivavy KFIM, Ny Antsa Rakotobe. Tabataba sy fidinana an-dalambe hatrany ny azy ireo, hoy ity mpanao politika sady mpahaitantara ity. Ny zava-nisy tamin’ny fanolorana praiminisitra Ravelontsalama izao, ohatra, dia efa izay, hoy izy. Tsy mety aminay hoy izy ireo io praiminisitra io fa izy tsy nanolotra mihitsy hoe ohatran’ny ahoana ary ilay tsanganana mety aminy ho praiminisitra? Tsy fanovàna olona no tadiavintsika izao fa fanovàna tsanganana na «profil». Maninona no tsy mba isan’ny sosokevitra nomena ohatra hoe ity no praiminisitra marimaritra iraisana? Miteny ry zareo hoe ravao ny antenimieram-pirenena nefa tsy manolotra hoe inona no atao avy eo? Ho soloina sa avela ho banga eo fotsiny? Tsy hoe mitabataba an-dalambe fotsiny fa mba mitondra vahaolana koa! Tsy mandrava fotsiny fa manorina ihany koa! Tsy niteny ny Gen Z hoe asio «assemblé constituante» na vondrona parlementera vonjimaika. Tsy niteny akory hoe aleo amin’ny alalan’ny didy hintsivolana no andraisana fanapahan-kevitra. Tsy nanome vahaolana ny Gen Z. Ampirisihina hatrany, noho izany, ny fifampiresahana fa tsy misy tsy vitan’io. Fotoana hihainoana ny rehetra izao! Sao dia ny fisamborana miseho lany amin’izao no tena fanakorontanana fa tsy ny grevy ataon’ny tanora? Ny filohan’ny fanavaozana efa nilaza fa tsy mbola nampisambotra olona fa ilay mampisambotra ao ve izany no te handoto ny sariny? Ny tena ilaina izany izao dia ny fifampidinihana mialohan’ny fikaonandoham-pirenena. Antsoina daholo ny mpisehatra rehetra. Ny rafitry ny fanavaozana, ny FFKM, ny mpivoy fanorenana ifotony, ny mpanao politika, ny Gen Z. Tsy afa-misaraka amin’ny fanavaozana ny Gen Z satria izy ireo no loharano nipoiran’izao fanavaozana izao. Tsy maintsy henoina ireo no dikan’izany fa tsy azo ailika. Mila iaraha-midinika ny hoe ahoana no hitondrana ilay fikaonandoham-pirenena, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.