Fahasalamana

Aretin-kibo vokatry ny fisotroana rano maloto Mahafaty, hoy ny mpitsabo


  • Alarobia 22 Aogositra 2018

Mahatratra 14.000 isan-taona ankehitriny ireo Malagasy mamoy ny ainy vokatry ny aretim-pivalalana ateraky ny fisotroana rano tsy voadio.

 

 Mbola vao ny 43 %-n’ny Malagasy ihany mantsy no mahazo sy misitraka rano fisotro madio manerana ny Nosy  ka ny eto an-drenivohitra no betsaka. Saika mionona amin’ny fakana rano eny amin’ny vovo sy ny fantsakana avokoa ny ambiny. Raha ny fanazavan’ny dokotera Fidy Bariniaina dia vokatr’ilay bakteria avy amin’ny mikraoba na ilay amiba ao anatin’ireny rano tsy voadio ireny no mahatonga ilay aretin-kibo. Mety manotika ny kibo, mivalana ihany koa ilay marary izay mety rano fotsiny na koa misy tsiloly mihitsy. Ho an’ilay amiba manokana dia tsy mijanona amin’ny tsinay izy ireny fa mety hiakatra any amin’ny aty ka miteraka ilay amiban’ny aty. Mety misy nana ny atin’ilay marary aorian’izay ka mety hitarika fahafatesana ho azy. Mila mitandrina ny tsirairay. Anisan’ny vahaolana arosony ny hitatavanana ny rano hatrany rehefa avy alaina, indrindra fa ireo maka rano any an-dobo sy  any anaty vovo. Tsy azo sotroina avy hatrany anefa fa tsy maintsy avela hitsika mandritra ny alina iray ary hampangotrahina izay vao sotroina.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT