Mahatratra 14.000 isan-taona ankehitriny ireo Malagasy mamoy ny ainy vokatry ny aretim-pivalalana ateraky ny fisotroana rano tsy voadio.
Mbola vao ny 43 %-n’ny Malagasy ihany mantsy no mahazo sy misitraka rano fisotro madio manerana ny Nosy ka ny eto an-drenivohitra no betsaka. Saika mionona amin’ny fakana rano eny amin’ny vovo sy ny fantsakana avokoa ny ambiny. Raha ny fanazavan’ny dokotera Fidy Bariniaina dia vokatr’ilay bakteria avy amin’ny mikraoba na ilay amiba ao anatin’ireny rano tsy voadio ireny no mahatonga ilay aretin-kibo. Mety manotika ny kibo, mivalana ihany koa ilay marary izay mety rano fotsiny na koa misy tsiloly mihitsy. Ho an’ilay amiba manokana dia tsy mijanona amin’ny tsinay izy ireny fa mety hiakatra any amin’ny aty ka miteraka ilay amiban’ny aty. Mety misy nana ny atin’ilay marary aorian’izay ka mety hitarika fahafatesana ho azy. Mila mitandrina ny tsirairay. Anisan’ny vahaolana arosony ny hitatavanana ny rano hatrany rehefa avy alaina, indrindra fa ireo maka rano any an-dobo sy any anaty vovo. Tsy azo sotroina avy hatrany anefa fa tsy maintsy avela hitsika mandritra ny alina iray ary hampangotrahina izay vao sotroina.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.