Zotran’ny Air France
Tsy misy tafiditra eto Madagasikara
Io no vokatry ny tsy fisian’ny marimaritra iraisana eo amin’ny sendikan’ny mpiasa sy ny filankevi-pitantanan’ny Air Madagascar, na dia efa nivory nandritra ny ora 3 aza omaly. Mazava ny nambaran’ireo mpiasa : ny Frantsay mihitsy no ao ambadiky ny fanapotehana ny Air Madagascar ka noho izany dia saziana aloha ny kaompania Frantsay ary tena tsy hiasa amin’ny fandraisana na fikarakarana ireo zotra rehetra avy any Paris na ho any Paris ka an’ny Air France izy ireo.Mbola ilay « Annexe B » ihany aloha no fototry ny olana hatreto, mtaky ny hanatsoahana ny Air Madagascar ao anatin’io lisitra io ny sendikan’ny mpiasa satria io no amabaran’izy ireo fa tena manaratsy endrika ity kaompania nasionaly ity sy mampitombo ny fatiantoka.Ny tale jeneralin’ny Aviation Civile de Madagascar (ACM) anefa etsy ankilan’izay dia nilaza , omaly fa tsy ho voavaha mialohan’ny martsa 2015 ity olana ity satria tena goavana loatra ary mila fifampidihana lalina sy maharitra.Hentitra ny fanambaran’ireo mpiasan’ny Air Madagascar fa hihamafy kokoa ny fitokonana sy ny fitakiana amin’ity anio ity, ka midika izany fa tsy ho tafiditra eto Madagasikara mihitsy, na eto Antananrivo na any amin’ny seranam-piaramanidina hafa manerana ny nosy ireo zotran’ny kaompaniam-pitaterana Air France.Efa eo am-pikarohana ny vahaolana manoloana izany ry zareo Frantsay ka mivantana atsy amin’ny nosy La Réunion aloha izany ireo mpandeha rehetra avy any Paris, dia avy eo indray no alain’ny fiaramanidin’ny Air Madagascar mankaty Antananarivo. Tahaka izay ihany koa no atao raha ho any Frantsa. Mazava ho azy fa mitombo ny vola lany, indrindra fa ho an’ny kaompania Air France satria tsy maintsy iantohana ny hotely hampiantranoana ireo mpandeha ami’ny hotely atsy La Réunion mandra-pifindrany fiaramanidina, tahaka izany koa ny sakafo .Tsy fantatra izay ho tohin’ity fitokonana eny Ivato ity satria tena mbola mikatso ny fifampidinihana ary tahaka ny resaky ny moana sy ny marenina mihitsy aza. Tratran’ny NOTAM hafa kely ary tsy tafiditra eto amin’ny tanin’ny repoblikan’i Madagasikara mihitsy aloha izany ny zotran’ny Air France rehetra mandra-pivahan’ity olan’ny Air Madagascar ity.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.