Actualités

Zotra Paris - Tana Nanondrana indray ny Air Madagascar


  • Alatsinainy 30 Jona 2014

Niteraka fahasosorana lehibe tamin’ireo mpandeha fiaramanidin’ny Air Madagascar tany Paris omaly hariva ny nampidinana azy ireo indray fa hoe mbola handeha ho any Marseille ilay fiaramanidina. Efa somary niakatra mihitsy ny feo ary niditra an-tsehatra ny polisy Frantsay nandamina ny raharaha....

Naterina any amin’ny hotely mba hitoetra ao mandra-piandry ny fandehanany aty Antananarivo ireo mpandeha. Nifanandrify tamin’ity sahotaka ity indrindra moa ny nanafoanana tamin’ny ora farany ilay sidina voalohany tokony ho nampitohy an’i Marseille-Moroni-Antananarivo omaly alahady. Fantatra, araka ny angom-baovao natao, fa tsy tonga ara-potoana ny fiaramanidina saika hanao io sidina io, izay Boeing 767 an’ny Euro Atlantic, kanefa dia efa natao nipoapoaka mihitsy ny serasera sy dokambarotra momba ity zotra Marseille Antananarivo ity. Fa misy ihany koa ny siosion-dresaka nandeha omaly fa mety naka ny delegasiona tany Vatican Roma notarihan’ny filoha Hery Rajaonarimampianina no tena anton-dian’ity fiaramanidina ity. Atoa filoha mantsy dia filohan’ny filankevi-pitantanan’ny Air Madagascar fony izy minisitry ny vola ka mety mba alaim-panahy manao fanaparam-pahefana ihany indraindray. Dia ny olon-tsotra ve sanatria no mizaka ny mafy ? Fa  ny manahirana amin’ity resaka ity dia tsy matotra fomba fiasa mihitsy ny kaompaniam-pitaterana Air Madagascar. Manao dokambarotra mamitaka, tsy manaja ny fifanarahany tamin’ny mpanjifa ary manome endrika ratsy ho an’ny firenena Malagasy mihitsy any ivelany any.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT