Ao amin’ny Fokontany Aranta ao Mahajanga no misy an-dRandrianarison Maurice sy ireo zanany 3 amin’izao fantatry ny maro amin’ny anarana hoe : Zoto.
Fianakaviany no hipetrahan’izy ireo ao saingy na izany aza dia nampahafantatra kosa i Zoto fa hanohy hatrany ny dia an-tongotra lavitr’ezaka efa nahafantaran’ny maro azy hatramin’izay. Ho any Antsiranana handalo an’i Sambava ho tonga any Antalaha indray ny lehilahy ato ho ato ary mbola hitety an’i Madagasikara na efa nahavita in’efatra aza nanomboka teo amin’ny faha-17 taonany. 53 taona katroka no nanaovany izany satria dia efa 70 taona mahery I Zoto ankehitriny. Na izany aza dia manana ny paikadiny manokana ny lehilahy amin’ny fiatrehana izany dia an-tongotra izany toy ny fihinanana vitamina B12, Vitamine C, maka aina rehefa amin’ny hariva ary mahandro sakafo ara-pahasalamana….Miantso ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina moa ny tenany mba hanohana azy amin’izao dia an-tongotra lavitr’ezaka hotohizany izao indray, indrindra fa ny fikarakarana azy eny an-dalana.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.