Notokanana omaly talata 12 septambra ny ivon-toerana famokarana herinaratra mandeha amin’ny herin’ny masoandro na «Centrale Solaire Photovoltaïque » teny amin’ny Zoom Ankorondrano.
Tetikasa miavaka sy mifanaraka amin’ny paikadim-pirenena eo amin’ny sehatry ny angovo izy io satria mampiasa ny angovo azo havaozina izay sady mitsimbina ny tontolo iainana no maharitra, hisahana ampahatelon'ny fandaniana rehetra eo amin’ny lafiny herinaratra ao amin’ny Zoom Ankorondrano. Mahatratra hatrany amin’ny 130KW ny tanjany ary 700 m2 no velaran'ireo takelaka mandray ny taramasoandro miisa 420. Nitarika ny lanonam-pitokanana teny an-toerana ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina sy ny minisitry ny angovo sy ny akoran’afo Lantoniaina Rasoloelison ary Filoha tale jeneralin’ny Vondron’orinasa Green Yellow Otmane Hajji, nisahana ny tetikasa. Azon’ny Jirama atao kosa ny miara-miombon’antoka mampiasa ny ampahany tsy lanin’ity orinasa ity, raha ny fanazavana. Tombontsoa azo avy amin’ny tetikasa tahaka izao ny maha haingana ny fametrahana azy satria telo volana monja dia vita. Nandritra io fotoana io no nilazan’ny minisitry ny Angovo sy ny Akoran’afo indray fa tsy misy intsony ny delestazy eto Antananarivo, fa fahatapatapahana ara-teknika sisa no misy noho ny antony maro.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.