Fanaparam-pahefana, fanitsakitsahana ny zon'ny mpiasa, tsy fandriampahalemana,…
Tranga matetika miverimberina amin`ny tsy fanajana ny zon'olombelona indrindra amin`izao fiatrehana ny valanaretina « coronavirus »izao. Betsaka no tokony harenina raha eto Madagasikara toy ny olana eo amin`ny sehatry ny voafonja, zon`ny ankizy sy ny vehivavy. Raha ho an`i Madagasikara manokana dia maro ny zavatra ilaina amin`izany fanajana izany. Ilaina ny fiarovana ny zon`ny olombelona mba tsy hahatonga ireo olona hikomy sy hanohitra izay fampijaliana sy fampihorohoroana mihatra aminy. Ny zava misy iainanana amin`izao fotoana izao moa dia lasa miady irery ny olom-pirenena.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.