Actualités

Zom-pirenena Mikasa hikitika ilay lalàna ny Fitondrana


  • Alatsinainy 03 Jolay 2023

Efa misy tolo-dalàna momba ny fanatsarana io lalàna momba ny zom-pirenena na "code de nationalité" io izay mbola

hodinihina amin’ny fotoana mahamety izany eo anivon’ny Antenimierampirenena, raha ny nambaran’io Filohana andrim-panjakana io. Mikasa hikitika an’io izany ny Fitondrana taorian’ny raharaha mikasika ny Filoham-pirenena, saingy na inona na inona atao, efa sarotra ny hanadio an-dRajoelina. Ny lalàna rahateo tsy mihemotra ny fampiharana azy (principe de non-rétroactivité de la loi). Niezaka niaro fatratra an-dRajoelina ny etamazaoro politikan’ny fitondrana, totoafo ny vono afo, saingy tsy nety maty, fa vao mainka aza fifanipahana no niseho, toy ny nilazana hoe : « par affiliation », « par filiation », « par diplomatie », fanomezana, tokony haato ilay lalàna, lalàna efa tsy nihatra hatry ny ela io, tsy ny filoha irery no mizaka zom-pirenena vahiny, adihevitra diso ity zom-pirenena ity,… ary izao dia tonga hatramin’ny fikasana hanitsy ilay lalàna. Isan’ny nampihatra io lalàna io tamin’ny alalan’ny didim-panjakana nanary zom-pirenena ho ana olom-pirenena naka zom-pirenena vahiny anefa ny fitondrana Rajoelina, izay midika fa fiarovana an-jambany ny filazana fa efa tsy nampiharina im-betsaka io lalàna io, ka naman’ny efa tsy mihatra intsony. An-kilany, fitoriana azy eny amin’ny fitsarana efa misy amin’izao, ka na inona na inona ho setriny, miharatsy endrika hatrany i Andry Rajoelina sy ny fitondrany. Ny any ivelany arahina sy ampiharina ny lalàna fa ny eto amintsika roritina arakaraka ny tombotsoa politika ary hovaina rehefa mahakitika ny zoron-damban’ny mpitondra ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT