5 naverina any am-ponja
Ho fantatra amin'ny fotoana tsy voafaritra ny hitohizan'ny Fitsarana ny raharaha Ambohimalaza izay efa 7 andro maninjitra tsy tena mbola hita taratra mazava ny tena zava-misy marina. Nambaran’ny Fitsarana tao anatin’ny didy savaravina omaly alakamisy tamin’ny 5ora sy 20 minitra, fa nahemotra fa tsy naato ny fitsarana ity raharaha tsingerintaona mainty teny Ambohimalaza tamin'ny 14 jona 2025 ity tetsy. Ahafahana miandry sy mikaroka ireo porofo sy antontan-taratasy mbola tsy ampy, fangatahana fotoana fanampiny, fanohizana fanadihadiana sy fanamarinana na fanangonana porofo hafa,… Raharaha hiverenana, miisa 11 ireo voarohirohy tamin’ity raharaha ity. Nomen'ny fitsarana fahafahana vonjimaika moa i Mendrika, Lalatiana, Honoré, Viviane, Ianjasoa, ary i Arimisa. Naverina any am-ponja kosa ireo dimy ambiny, isan'izany i Fenohasina sy ny Mamany, Clarisse sy Rabebe, ary i Jizza Ralison. Anisan’ny nisongadina ny fangatahan’i Fenohasina sy ny mamany fangatahana vonjimaika, saingy nolavina. Mbola nitohy ny fanontaniana sy ny famotorana lalina ireo voapanga, narahin’ny fanohizana ny fijerena ny horonantsary. Tsy mbola nipoitra teo anivon’ny Fitsarana kosa ireo zandary mpanao famotorana, raha nanaiky ny niresaka kosa ireo Minisitra teo aloha voantonontona ny alarobia teo, dia ny Minisitry ny fanatanjahantena teo aloha Marson Moustapha izay nilaza fa tsy mahalala an’i Fenohasina raha tsy misy izao raharaha izao, kanefa dia voahoso-potaka ka nanimba azy sy ny fianankaviany izany. Tsy izaho ilay Moustapha resahana fa mpanao nify, hoy izy. Ho an’ny Minisitry ny fahasalamana teo aloha Pr Zely Andriantany kosa, dia nilaza fa tsy avy aminy mihitsy ny famoahana fehin-kevitra fa « belladone » sy « datura », fa fisian’ny singa « atropine » tao anatin’ny fitiliana no fehin-kevitry ny Minisitera. Ny loharanom-baovao tsy ofisialy kosa no nahenoana, fa nezahina ny tsy hisian’ny fehin-kevitra hoe : « Botulisme » satria natahoran’ny Fanjakana Rajoelina hahavotsotra ny fandraisana ny fivorian’ny SADC ny aogositra 2025. Ain’olona 35 no maty, saingy nisy ny filalaovana izany nataon’ny Fanjakana teo aloha raha raisina amin’io. Andaniny, mbola tsy tena fantatra mazava hoe : iza marina no tao ambadika satria ny fitsarana dia namerimberina ny hoe : iza marina no mamatsy vola an’i Fenohasina satria na ireo havany lazainy manampy azy aza efa manomboka hafa ny firesany. Nisongadina omaly ny fanakianan’ny mpitsara azy ho mivadibadika mitady izay hosarangodina sy hanilihana ny rihitra toy ny nanitrikitrihana fa i Clarisse, ary rehefa nivoaka ny horonan-tsary dia i Nomena ilay vadin’ny tompon’ny toerana izay nodimandry,… Nandeha ireo fanontaniana maro, fa tsy nivaha ny vavan’i Fenohasina, anisan’ny hita tao anatin’ny horonan-tsary ny lehilahy 4 heverina fa ireo voalaza fa « gardes du corps »,… Mbola anatin’ny saingodimpanina sy misitery hoe : nisy resaka fampiasana GHB (gamma-hydroxybutyrique) fampiasan’ireo fanolanana, nisy resaka méthanol, tambajotra fivarotana tovovavy sy fivarotan-tena, lonilonim-pianakaviana, ady lehilahy, misy olona ambony na mpanam-bola be arovana,… Asa hanao ahoana ny tohiny ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.