Avy amin’ny daholobe
ny 20%-n’ny fitsarana
Hotanterahina amin’ny Sabotsy 28 Novambra ho avy izao eny amin’ny efitrano fandraisana fivoriana iraisam-pirenena eny Ivato na CCI ny famaranana ilay fifaninanana Miss Africa 2026 andiany voalohany, tohanan’ny orinasam-pifandraisana Orange Madagascar. Raha araka ny fanazavan-dRandrianjatovo Faly avy amin’ny Agence Totem izay mpanofana ireo mpandray anjara, nitafa tamin’ny mpanao gazety omaly dia ny 20%-n’ ny fitsarana dia avy amin'ny fifidianana hataon’ny daholobe raha avy amin’ny mpitsara ny ambiny. Anisan’ny hojeren’ireto farany amin’izany fomba fampahafantaran’ireo Miss miisa 10 handray anjara ny tetikasany, ny bikany ivelany....Tsy mijanona amin’ny fifaninana hatsaran-tarehy fotsiny mantsy ny Miss Africa fa fampianarana ny vehivavy Afrikana hiotra sy hanatsarana ny fiainana amin’ny ankapobeny ihany koa. Miantso ny Malagasy rehetra mba hifidy azy araka izany ireo solotenan'i Madagasikara izay ahitana an'i Aicha , Franckline , Leoucia , ary Willine ho fiarovana ny voninahim-pirenena. Tsiahivina fa miisa 5 ireo firenena handray anjara amin’izany ahitana an’i Côte d’Ivoire, Mayotte, Sénégal, Guinée ary i Madagasikara mpampiantrano. Niainga avy tamin’ny Festival wakawaka andiany faharoa natao tany Sambava niarahan’ny orinasam-pifandraisana Orange Madagascar sy ny Shelby production no niandohan’ny ketrika. Ity orinasam-pifandraisana iray ity izay marihina fa miezaka manohana sy mampiroborobo hatrany ny resaka kolontsaina eto amintsika raha araka ny fanazavan-dRakotomalala Anitah. Tontosa omaly teny amin'ny garan’i Soarano ny fampahafantarana ireo mpandray anjara amin'ity Miss Africa 2026 ity.
Pati
Legende : Ireto izy 10 mirahavavy handray anjara amin’ny fifaninanana !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.