Olona 462 tsy manan-kialofana
ao Mahanoro, am-polony ny ao Mananjary
Misesisesy ny haintrano tato ho ato noho ny andro mafana. Anisan’ny niaina izany ny tao Masindrano Ambany, distrikan’i Mananjary omaly Alakamisy 26 Novambra, tokony ho tamin’ny 4 ora sy sasany maraina. Trano maromaro no lasibatra ary olona am-polony no tsy manan-kialofana. Iray hafa naratra mafy. Vantany vao naharay ny vaovao momba ity loza ity ny avy ao amin’ny Faritra Vatovavy notarihin’ny Rtoa Dr Hanitriniaina Elys Karena dia nandray ny andraikiny. Nisy ny fivoriana niarahana tamin’ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny OMC izay nandinihina ny toe-draharaha sy nijerena manokana ny momba ireo olona niharam-boina. Ankoatra izay dia trano miisa 77 ihany koa no kila forehitra tao amin’ny Fokontany Fiadanana, Kaominina Ambinanindrano, Distrikan’i Mahanoro. Araka ny tatitra voaray dia trano 21 tafo fanitso ary trano 56 tafo fontsy no ravan’ny afo. Trano telo hafa kosa no noravana an-tsitrapo mba hisorohana ny fiparitahan’ny afo amin’ireo trano manodidina. Vokatr’izany loza izany dia fianakaviana miisa 73, izay ahitana olona 462, no tsy manan-kialofana intsony. Nanomboka omaly tamin’ny 2 ora sy 5 minitra folakandro ny firehetana ka tamin’ny 5 ora sy 30 minitra vao voafehy tanteraka ny afo. Miandrandra fanampiana avy amin’ny Fitondram-panjakana ireo niharam-boina.
Nangonin’i Pati
Legende: Tahaka izao ny firedaredan’ny afo sy ny takaitra navelany !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.