Mila fampitaovana
bodyscan sy sata OPJ ny ANAF
Mahatratra 800 tapitrisa dolara isan-taona, izay manodidina ny 5% amin'ny harinkarena faobe na PIB, ny fatiantoka ara-bola ateraky ny hosoka ara-ketra sy ny kolikoly eto Madagasikara, araka ny tombana avy amin'ny Minisiteran'ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola. Ankoatra io tarehimarika ankapobeny io dia misy fiantraikany goavana amin'ny sehatra maro samihafa ity hosoka ity. Araka ny tatitra farany nataon'ny Fitsarana Tampony mpitsara ny Kaonty dia nahatratra 3 811 miliara Ariary ny vola very sy ny fatiantoka teo amin'ny fitantanam-bolam-panjakana nandritra ny taona 2025 noho ny fitantanana tsy mahomby sy ny fanodinkodinana. Araka ny tatitry ny Banky Iraisam-pirenena, ihany koa dia mahatratra 300 miliara Ariary isan-taona ny fatiantoka ateraky ny halatra herinaratra sy ny hosoka amin'ny kaontera, izay mitarika fahasimbana foto-drafitr'asa sy fahatapahan-jiro matetika ho an'ny JIRAMA. Ny fanaovana faktiora sandoka, ny fanombanana ambany miohatra amin'ny tokony ho izy ny vidin'entana ampidirina eto an-toerana mba hialana amin'ny haba, ary ny fivarotana entana lany daty natao hosoka dia mampihena ny fidiram-bolan'ny fanjakana sady manimba ny orinasa ara-dalàna sy ny fahasalaman'ny mpanjifa. Ny fanondranana an-tsokosoko ny volamena sy ny vatosoa ihany koa dia miteraka fatiantoka goavana ho an'ny Tahirim-bolam-panjakana, na dia eo aza ny ezaka fanaraha-maso ataon'ny Masoivoho Nasionaly Miady amin'ny Hosoka (ANAF). Dimy taona nijoroana ity rafitra miady amin'ny hosoka ity. Ny Didim-panjakana laharana faha-2021-1450 tamin'ny 13 Janoary 2021 no nananganana azy, izay rantsana eo anivon'ny Fiadidiana ny Repoblika. Niasa nangina ny ANAF, hany ka tsy dia fantatry ny olona loatra ny fisiany, na dia efa maro aza ny vokatra azony. Anisany ny nahatratrarana vato sarobidy miisa 117 mitentina amina miliara teny amin'ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato, saika haondrana teratany sinoa ny 20 oktobra 2026. Fiaraha-miasa teo amin'ny Ladoany sy ny ANAF no nahafahana nanakana io fikasan-dratsy io. Hanamafy sy hanafaingana ny fomba fiasa ny ANAF manomboka eto, hoy ny Jeneraly Charles Andrianasoavina, Tale jeneralin'ny ANAF, omaly, nandritra ny lanonana fanamarihana ny faha-5 taonan'ny ANAF teny amin'ny lapam-panjakana Iavoloha misy ny foibeny. Mangataka tohana ara-pitaovana sy fanavaozana ny lalàna mamaritra ny iraka sy ny andraikitra sahaniny ny ANAF satria tsy kely lalana ny mpanao hosoka. Rehefa voaaro ny harem-pirenena, hoy ny Tale jeneralin'ny ANAF dia miakatra ny harinkarena ka hisy ny vola hanamboarana lalana, sekoly, ary hopitaly noho ny fihatsaran'ny fampidiran-ketra. Hitombo koa ny fahatokisan'ny mpampiasa vola vahiny sy ny mpiara-miombon'antoka iraisam-pirenena. Faniriana ny hametrahana "bodyscan" eny amin'ireo seranana iraisam-pirenena sy ny hananana "drone de surveillance" hanamafisana ny fanahara-maso, hoy ny Jeneraly Charles Andrianasoavina.
LAHARAMPAHAMEHANA
Notsiahiviny fa iray andro monja taorian'ny nametrahana bodyscan voalohany tamin'ny 2023 dia volamena 1,600 kg no sarona teny amin'ny seranam-piaramanidina Ivato saika haondrana an-tsokosoko. Mangataka hanana sata OPJ (Officier de Police Judiciaire), ho afaka manao fikarohana fandikan-dalana sy manokatra fanadihadiana avy hatrany koa ny ANAF. Andalam-pandrafetana ny volavolan-dalàna mifandraika amin'izany izy ireo. Miandrandra fampitaovana hanamorana ny fivezivezena amin'ny fanatanterahana ny asa sy ho hiarovana ny tsiambaratelon'ny angon-draikitra ao aminy koa ny ANAF. "Hatao laharampahamehana ny fampitaovana "Bodyscan" raha hita fa mahomby ny fampiasana azy satria mila fongorina ny fahalovana fa fahavalom-pirenena", hoy ny Kolonely Gervais Andriamiarisoa, Mpanolotsaina avo ny Fanavaozana ny Repoblika, nisolotena ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika Kolonely Randrianirina Michaël, tamin'ny lanonana omaly. Nampirisika ny hisian'ny fiaraha-miasan'ny ANAF amin'ireo sampandraharaha samihafa ity Mpanolotsaina Avo ity mba hiarovana ny harem-pirenena. Alefaso amin'ny antanan-tohatra ny volavola rijanteny hahafahan'ny ANAF manokatra fanadihadiana amin'ny tranga hitany sy sy mikaroka fandikan-dalàna, hoy izy.
Jean D.
Manampahefana nanome voninahitra ny faha-5 taonan'ny ANAF teny Iavoloha
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.