Actualités

Zo tsy azo henjehina Mila mahaleotena ilay vaomiera


  • Alatsinainy 07 Septambra 2020

Efa niroso tamin` ny fananganana ny vaomiera hisahana ny fanesorana ny zo tsy azo henjehina an` ireo solombavambahoaka na “commission de levée parlementaire” ny teo anivon` ny Antenimieram-pirenena.

 

 

Zava-dehibe ny fametrahana ity vaomiera ity satria hisahana sy hanapahan-kevitra ny mahakasika tena fiaianan` ireo parlemantera eo amin`ny lafin` ny fanenjehana na fampidirana am-ponja na fisakanana ny fahalalahana. Hisahana ihany koa ny fanesorana ny fiarovana raha toa ka ilaina izany. Na dia nanambara aza ny filohan` ny Antenimieram-pirenena, Christine Razanamahasoa, fa tsy misy intsony ny malety dia ho fiantohana ny fanjakana tsara tantana, mila feno tanteraka io rafitra io. Raha tena hiady amin’ny kolikoly marina ny fanjakana dia tokony mazava ny raharaha. Tsy vao izao no hahenoina fa toerana fanaovana bizina ny maha depiote ka raha tsy manao kolikoly amin’ny fandaniana lalàna dia manao bizina aty ivelany fotsiny ihany. Tsikaritra aza fa olona miaro tena eo anatrehan’ny fitsarana no nanao izay hidirana depiote noho ilay antsoina hoe “immunité parlementaire” na ny fiarovana manokana no tena tanjona..

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT