Zezika azo avy amin'ny fako

Efa raikitra ny fampiasana azy amin'ny fambolena


  • Alatsinainy 18 Novambra 2024

Rehefa dila ilay fito andro nanodinana ny fako ka lasa zezika dia miditra amin'ny fampianarana

ny mpianatra hikolokolo zaridaina indray ho fanamaintsoana ny tanàn-dehibe sy hanabeazana ny ankizy hiaro ny tontolo ianana ny tetikasa iarahan'ny Tia Tanindrazana sy ny profesora Henri Rasolonjanahary. Teny amin'ny sekoly tsy miankina Ange Gabriel Anosibe ouest 2 no nanaovana izany ny zoma lasa teo ka nanombohana ny fambolena ananana (tissam) natao amina tavoahangy plastika. Anisan'ny nambolena ihany koa ny raozy , solila, ,tsaramaso, omanga, kotomila, salady. Tsy be resaka isika fa fikarohana, asa, fampiharana ary tonga dia mioty vokatra avy eo hoy ny Pr Henri tompon-kevitra sy nanao ny fikarohana. Efa maro ireo tantsaha avy amina faritra maro manerana ny nosy no nahita soa avy amin'ity tetikasa fako avadika zezika enti-mamokatra ity. Izy ity moa dia anisan'ny paikady iray ahafahana manodina ny fakon'Antananarivo ho lasa akora ampiasaina fa tsy hoe angonona dia taterina , avy eo dorana, lasa mila velarantany lehibe no sady manimba tontolo iainana fotsiny. Tsy maintsy mikaroka vahaolana foana, ary asehontsika fa olon'ny asa isika, hoy ny firesak'i Tahina Razafinjoelina izay.
Nangonin'i RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Elia Rabevahiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Finiavana politika ihany

  • Manomboka mipoitra
  • Alarobia 06 Mey 2026

ireo nisitrika sy nitsoaka

  • Maitre Michel Le Dragon
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Mpanavotra no dikan’ny anarana hoe «Mickael»»

  • Natosiky ny vadiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

avy amin’ny rihana ambony ?

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

Hijery ny tohiny
FTT